Fidinana ifotony nataon’ny CDBF eny amin’ny CNFPPSH: Fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana

by | Nov 13, 2026

Antananarivo, 12 Novambra 2026 – Mitohy ny fidinana ifotony ataon’ny Filankevitra Ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) eny anivon’ireo rantsa-mangaikam-panjakana, ho fampiroboroboana ny fitantanana tsara tantana (bonne gouvernance). Ny alakamisy 12 novambra teo, dia ny “Centre National de Formation Professionnelle des Personnes en Situation de Handicap” (CNFPPSH) indray no nandray ny atrik’asa fampahafantarana nataon’ny ekipan’ny CDBF.

Andriamatoa ZAKARIA Jean Franker, Talen’ny Foibe CNFPPSH, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana. Nandritra ny fotoana dia nisy ny fanazavana nentina nametraka mazava ny andraikitra sy ny fahefana sahanin’ny CDBF, indrindra eo amin’ny lafiny fisorohana sy ny ady amin’ny fahadisoam-pitantanana (fautes de gestion).

Ny tena nanamarika ity fihaonana ity dia ny fisian’ny tena fifanakalozana teo amin’ny roa tonta. Tsy nijanona ho fampianarana tokana ny atrik’asa, fa nandray fahalalana avy amin’ireo mpisehatra tao amin’ny CNFPPSH ihany koa ny ekipan’ny CDBF, tamin’ny alalan’ny fifampizarana.

Amin’ny alalan’izao fihaonana mivantana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izao, dia manamafy hatrany ny avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fisorohana eo anivon’ny CDBF ny mba hitantanana araka ny tokony ho izy ny volam-panjakana.