Atrikasa fampahafantarana : tao amin’ny ARTEC sy ny INFP ny CDBF
Tsy mitsahatra manohy ny hetsika fampahafantarana mikasika ny fitantanana ny volam-panjakana ny eo anivon’ny Filankevitra Ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF).
Ny 30 oktobra 2026 lasa teo, dia nanatanteraka atrikasa tao amin’ny “Autorité de Régulation des Technologies de Communication” (ARTEC) ny CDBF, tamin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny Fisorohana. Tao amin’ny foiben’ny “Direction Générale de l’Institut National de Formation Pédagogique” (INFP) tao Mahamasina kosa ny 04 novambra 2026.
Fampahafantarana sy fifanakalozan-kevitra mivantana
Nandritra ireo fihaonana roa ireo dia nohazavaina tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpiasa voakasika ny andraikitra sy ny iraka sahanin’ny CDBF. Notsindriana manokana tamin’izany :
- Ny fomba fampakarana raharaha eo anivon’ny Filankevitra ;
- Ireo sokajin’ny fahadisoam-pitantanana mety hitranga ;
Tsy nijanona tamin’ny famelabelarana fotsiny ihany anefa ny atrikasa fa nisongadina ihany koa ny fifanakalozan-kevitra ary ny famaliana ireo fanontaniana napetraky ny mpandray anjara. Voaresaka tamin’izany ireo olana mety sedraina mandritra ny fanatanterahana ny tetibola, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fifandimbiasan’andraikitra. Voaresaka ihany koa ny fisorohana ny fanomezan-danja manokana (favoritisme) eo amin’ny tsenam-panjakana, ary ny famaritana mazava ny andraikitry ny CDBF manoloana ny BIANCO sy ireo rafitra mpanara-maso hafa eo anivon’ny Fanjakana.
Fiaraha-miasa ho an’ny fitantanana tsara tantana
Aminy alalan’ireo hetsika ireo dia manamafy ny anjara toerany amin’ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ny CDBF, amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fampahafantarana ireo mpitantana sy mpampiasa volam-panjakana. Tanjona faratampony ny hametrahana maharitra ny kolontsain’ny fandraisana andraikitra, ny mangarahara ary ny fitantanana tsara tantana, ho tombontsoan’ny Fanjakana sy ny olom-pirenena iray manontolo.




