NY CDBF TENY ANIVON’NY PRIMATIORA: NY FISOROHANA NO FOTOTRY NY FITANTANANA TSARA TANTANA NY VOLAM-PANJAKANA
Teo ambany fiahian’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ny Filan-kevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) dia nikarakara atrikasa fanentanana sy fampahafantarana niompana tamin’ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ara-bola, ny 24 septambra 2026, tao amin’ny Lapa Lehiben’i Mahazoarivo, ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’ny tetibola sy ny fitantanam-bola eo anivon’ny Primatiora sy ireo rantsa-mangaika rehetra ao aminy.
Nisy ny atrikasa nandritra ny tontolo andro izany fa teo iany koa ny tranohevan’ny CDBF napetraka teo ivelany, izay nahafahan’ireo rehetra mahafantatra bebe kokoa ny CDBF, ny andraikiny ary ny asa sahaniny. Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny toe-tsaina tompon’andraikitra sy ny fanjakana tsara tantana.
FEHIN’IREO KABARY NANDRITRA NY FANDRAISAM-PITENENANA OFISIALY
Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin :
Nanamafy ny fahavononan’ny Governemanta amin’ny fanovana sy fanadiovana izy, ary nanasongadina ny « fahitsiana » sy ny « fahasahiana » amin’ny fanatanterahana ny asa. Nilaza ny Praiminisitra fa ny Primatiora dia tokony ho fitaratra eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana.
Filohan’ny Filan-kevitry ny CDBF (Président du Conseil), Andriamatoa RABENDRAINY R. Eliezer :
Nampahatsiahy ny lanja ara-moraly sy ny fitsipika mifehy ny fampiasana ny volam-bahoaka izy, ka nilaza fa ny fitsipi-pifehezana ara-tetibola sy ara-bola dia tokony ho lamina mahazatra fa tsy ho tranga manokana fotsiny: « La discipline budgétaire et financière doit être la norme mais pas l’exception ». Nanamafy ihany koa izy ny fahavononan’ny Filan-kevitra hampihatra ny lalàna amin’ny fomba tsy mitongilana raha misy ny fahadisoana.
Tale Jeneralin’ny CDBF (DG), Andriamatoa OLAF Françis :
Nasiany tsindrim-peo manokana ny lafiny fisorohana. Raha mihena mantsy ny fahadisoam-pitantanana, dia mety hihena ihany koa ny fahazaran-dratsy amin’ny fanaovana kolikoly, hoy izy. Natomboka teo anivon’ny Primatiora ny asa, amin’ny maha-mpanalalana voalohany amin’ny tetibolam-panjakana azy, sady zanaka an-trano ihany koa ny CDBF. « Ny ao an-trano tsy mba vahiny », hoy Andriamatoa Tale Jeneraly.
Ireo ekipa avy ao amin’ny Foibem-pitondrana ny Fisorohana (DP) sy ny Foibem-pitondrana ny Teknika (DT) dia nampahafantatra ny CDBF sy ireo fahadisoam-pitantanana mety hahavoasazy, ary nizara antontanisa vitsivitsy niainga tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ireo raharaha eo anivon’ny CDBF.
Nifarana tamin’ny fametrahana sy famaliana fanontaniana ny fotoana. Nanome toky ny CDBF fa malalaka ny fifandraisana ary vonona hatrany izy ireo hanome fahafahampo raha misy zavatra tsy mazava na mila fanampiana avy amin’izy ireo.




