Manambaka vahoaka: Amin’ny fomba ahoana ?

Maro tokoa ankehintriny ny fomba entin’ireo mpiasam-panjakana sasany manambaka ny vahoaka ka anisan’izany ny tsy fanomezana kitansy (quittance) ara-dalàna na fanomezana rosia tsotra na sombitaratasy na kitansy tsy izy mihintsy aza ho setry ny vola naloa tamin’ny Fanjakana. 
Marihina mantsy fa ny fanaovana ireo voatanisa tetsy ambony ireo dia samy halatra tsotra izao amin’ireo mpadoa vola eny anivon’ny Fanjakana satria manalasala ihany ny hilaza fa tena tafiditra marina amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola raisina amin’ny fomba toy izany.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny CDBF izay navoaka tamin’ny 10 oktobra 2019 tao amin’ny Hotely Carlton tokoa mantsy dia mahatratra hatrany amin’ny 44 isan-jaton’ny vola aloan’ny olona eny amin’ny Fanjakana no tsy nahitana taratasy fanamarinana. Tao anatin’ireo 54 isan-jatony izay nisy fanamarinana kosa dia 33% ihany no nampiasa kitansy ara-dalàna navoakan’ny Tranopirintim-pirenena. Nanamafy izany rahateo ny antontanisa navoakan’ity farany izay nilaza fa 4% na 67 amin’ny kaominina 1697 misy eto amintsika monja no mba nividy « quittancier à souche » tao amin’ny tranopirintim-pirenena teo anelanelan’ny taona 2012 sy 2019.
Tsy mahagaga ary raha maro ireo Kaominina no tsy mahaloa na dia ny karaman’ny mpiasa ao aminy ary tsy vitsy amin’izy ireny no tena miantehitra fotsiny amin’ny vola fanampiana avy amin’ny Fanjakana foibe satria voahodina alohan’ny hirotsahany ao amin’ny kesy ny volam-panjakana. Tsy ny eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ihany no iharan’izany tsy fahampiam-bola izany fa na dia eny anivon’ny Fanjakana foibe aza dia iaraha-mahalala fa tsy mahasahana ny vola lanin’ny fanjakana ny vola miditra hany ka miteraka fianteherana amin’ny loharanom-bola avy any ivelany amin’ny alalan’ny fitrosana na amin’ny alalan’ireo fanampiana tsy averina izany.
Koa natao ity fanadihadiana ity mba hanairana ny sain’ny rehetra, na vahoaka na tompon’andraikim-panjakana ny mba tokony hijerena akaiky ny fomba fampidiram-bolam-panjakana.
Raha voafehy tokoa mantsy ity tsy fampiasana kitansy na fampiasana kitansy tsy izy eo amin’ny fampidiram-bolam-panjakana ity dia ho azo atao tsara ny mampitombo avo 5 heny ny vola miditra ivelan’ny hetra raha ny navoakan’ny fanadihadiana ihany.

Manomboka izao àry

ny faniriana dia ny mba hahasahian’ny vahoaka hitaky kitansy ara-dalàna rehefa mandoa vola amin’ny Fanjakana ary mba tsy hisy intsony koa mpiasam-panjakana mbola ho sahy handray vola tsy nefa tsy manome kitansy na hampiasa kitansy tsy izy.

Rajosoanirina Fidisoa,
Administrateur des Services Financiers
Lehiben’ny Sampan-draharaha misahana ny Asa Fisorohana eo anivon’ny CDBF