FANAMAFISANA NY FITANTANANA ARA-DALÀNA NY VOLAM-PANJAKANA : Nanatanteraka atrik’asa fampahafantarana teo anivon’ny APIPA ny CDBF

by | Nov 12, 2026

Antananarivo, 11 Novambra 2026 – Ho fanamafisana ny fahalalan’ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra isan-tsokajiny momba ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny tetibola sy ny volam-panjakana, dia nanatanteraka atrik’asa fampahafantarana teo anivon’ny “Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo” (APIPA) ny ekipa avy amin’ny “Conseil de Discipline Budgétaire et Financière” (CDBF), ny alarobia 11 novambra 2026 lasa teo.

Fiaraha-miasa ho an’ny fitantanana mangarahara

Notarihin-dRamatoa Lys Valérie Hadjicosta, Tale Jeneraly mpisolo toerana sady Tale misahana ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha Ara-pitantanana (DAF) eo anivon’ny APIPA, niaraka tamin’ny Tale ny Fisorohana avy amin’ny CDBF, ity fihaonana ity. Nifantoka tamin’ireto teboka lehibe ireto ny famelabelarana natao :

  • Ny andraikitra sy ny fahefana sahanin’ny CDBF ;
  • Ny famaritana ireo karazana fahadisoam-pitantanana (fautes de gestion) mety hitranga ;
  • Ny sazy mety hihatra raha misy ny fandikana ny lalàna velona.

Fandraisana anjara mavitrika sy fahavononana hanatsara ny fomba fiasa

Nisongadina nandritra ny atrik’asa ny fandraisana anjara mavitrika nasehon’ireo mpiasa sy tompon’andraikitra tao amin’ny APIPA.

Na dia eo aza ireo fanamby sy olana ara-teknika sedraina eo amin’ny fanatanterahana ny asa andavanandro, dia naneho fankasitrahana feno tamin’izao fifampizarana izao ireo mpandray anjara.
Izao hetsika izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny paikady entina mampiroborobo ny fisorohana mialoha ny fahadisoam-pitantanana, ary koa ho fanamafisana ny fitantanana ara-bola madio, mahomby ary mangarahara ny volam-panjakana.