DGSR Alarobia: Atrikasa ho amin’ny Fitantanana Mangarahara miaraka amin’ny CDBF

by | Avr 16, 2026

Ny 15 aprily 2026, nampiantrano ny atrikasa momba ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ara-bola ny foiben’ny Fitantanan-draharaha ankapobeny miandraikitra ny Fiarovana ny Fifamoivoizana an-tanety (DGSR) eny Alarobia. Ny Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF) no nitarika ity hetsika ity.

Ny fahaiza-mitantana: Antoky ny tombontsoam-bahoaka

Nandritra ny lahateniny, ny Tale Jeneralin’ny DGSR, Andriamatoa NIXOR Tsitambala, dia nanamafy fa laharam-pahamehana ny fandalana ny « fanjakana tsara tantana”. « Ny fahalalana ny rafitra toy ny CDBF no hahatakarana ny lanjan’ny fitsipika ara-bola sy hahatonga saina ny tsirairay amin’ny andraikitra tandrifiny ho tombontsoan’ny vahoaka », hoy izy.

Ho an’Andriamatoa OLAF Francis, Tale Jeneralin’ny CDBF, ny fitantanana manara-dalàna sy mangarahara dia fototra ijoroan’ny fanjakana tsara tantana. Notsindriany fa ny fahadisoam-pitantanana dia miteraka fatiantoka goavana ho an’ny firenena sy manamora ny kolikoly. Noho izany, vonona ny fanjakana hanaramaso hentitra ny fampiasana ny volam-panjakana.

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra, nipoitra ny lohahevitra mikasika ny fiarovana ny fananam-panjakana (Patrimoine de l’État). Nifantoka tamin’ny tatitry ny Cour des Comptes ny adihevitra, izay naneho fa misy ny fahaverezana eo amin’io sehatra io, ka tokony hojerena akaiky mba hisorohana ny fatiantoka amin’ny fitantanana.

Ho famaranana ny atrikasa, ny Talen’ny Fisorohana ao amin’ny CDBF, Ramatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole, dia namintina fa ny CDBF dia rafitra arofanina ho an’ny mpitantana. Nanentana ireo tompon’andraikitra rehetra izy mba hanaraka ny lalàna antsakany sy andavany, satria mahavoasazy ny tsy fanarahana ny fitsipika mifehy ny volam-panjakana.