CDBF TENY AMIN’NY MINISITERAN’NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA : FANAMAFISANA NY FIAROVANA NY VOLAM-BAHOAKA

by | Nov 19, 2026

Antananarivo, 18 Novambra 2026 – Nanatanteraka atrikasa fampahafantarana momba ny andraikiny sy ireo fahadisoam-pitantanana ara-bola mety hiharan’ny sazy ny Filankevitra Ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF), tao amin’ny efitrano malalaky ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana tetsy 67 Ha. Tonga nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin’izany avokoa ireo mpisehatra ara-bola eo anivon’ny Minisitera sy ireo rantsa-mangaika miankina aminy.

Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, RANAMARIA Arilala Lea

Izy no nanokatra ny fotoana. Taorian’ny nampitany ny teny fisaorana avy amin-dRamatoa Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, dia nanambara izy fa manantena vokatra tsara aorian’izao atrikasa izao, ka tsy hisy ny fanamarihana na tsy fahatomombanana eo amin’ny fitantanam-bola rehefa mandalo manao fitsiriana ireo mpanara-maso toy ny « Inspection Générale de l’État »  (IGE) na ny « Cour des Comptes ». Nohamafisiny ihany koa fa vonona hatrany ny Minisitera amin’ny fiaraha-mientana ho fiarovana ny volam-bahoaka.

Nanome voninahitra sy namarana ity fotoana ity Andriamatoa Tale Jeneralin’ny CDBF, OLAF Francis. Nambarany fa mitaky fahasahiana sy finiavana avy amin’ny tsirairay ny fanavaozana takiana. Nolazainy ihany koa fa antoka lehibe ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena ny sehatry ny fizahantany sy ny asa tanana, ka nirary soa ny fianakaviamben’ny Minisitera ny tenany mba hahita fahombiazana feno ao anatin’izao ezaka fanatsarana izao.