ATRIKASAN’NY CDBF TAO AMIN’NY MCR : FANOVANA FOMBA FISAINANA SY FIARAHA-MIENTANA HO AMIN’NY FITANTANANA MANGARAHARA
Notanterahina tao amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana (MCR) tetsy Antaninarenina, ny 19 novambra 2026, ny atrikasa fampahafantarana momba ny andraikitry ny Filankevitra Ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) sy ireo fahadisoam-pitantanana ara-bola mety hiharan’ny sazy.
Fomba fiasa manaraka fitsipika sy fisorohana
Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MCR (SG), HERINJAKATAHINA Hajanarivo Laza Fanantenana Charles, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana. Nohamafisiny fa minisitera kely sy zandriny indrindra ny MCR, ka vao manomboka izao dia efa mitarika ireo mpiara-miasa hanana fomba fiasa manaraka fitsipika, satria aleo ihany koa misoroka toy izay mitsabo, hoy izy. Nandritra ny lahateny famaranana no nanambarany ihany koa fa manana andraikitra amin’ny fitandroana ny volam-bahoaka toy ny CDBF ny MCR, toy ny fampiharana ny « Politique Interne de Lutte Contre la Corruption » (PLCC), ary eo ihany koa ny ezaka hanatrarana ny tanjona hidirana ao anatin’ny « Open Government Partnership » (OGP) na « Partenariat pour un Gouvernement Ouvert » izay mitaky fitantanana mangarahara indrindra ny ara-bola, mba hipetrahan’ny fahatokisana iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara.
Fanovana fomba fisainana sy fiaraha-mientana
Nambaran’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny CDBF (DG), OLAF Francis, fa fanovana fomba fisainana enti-miasa no tena tanjona ao anatin’izao fanavaozana izao, ary ilaina ny fiaraha-mientana ao anatin’ity adidy masina ity mba hametrahana fitantanana madio sy mangarahara eto Madagasikara.
Fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-miasa amin’ireo rafitra mpanara-maso hafa
Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia naneho ny heviny ny « Directeur Général des Encadrements Stratégiques et Opérationnels » eo anivon’ny MCR, Andriamatoa RAKOTOSON Andriatsiferana Jean Laurent. Nahatsikaritra izy fa maivana ihany ny sazy raha toa ka lamandy fotsiny raha oharina amin’ny fatiantoky ny fanjakana amin’ny vola very. Nampiany ihany koa fa tokony hisy fifandraisana ara-dalàna ny CDBF sy ireo « Organismes de Contrôle » hafa, toy ny « Haute Cour de Justice » (HCJ), satria ireo mpitondra ambony ihany koa no tena mpanapa-kevitra amin’ny fampiasam-bolam-panjakana.
Efa nisy foana ny fiaraha-miasa tamin’ireo rantsa-mangaika samihafa miady amin’ny kolikoly sy miaro ny volam-bahoaka. Misokatra sy vonona hatrany ny CDBF amin’izay rehetra azo hifanampiana, satria izay no antom-pisiany ary ady iraisana izany.




