Fisorohana ny fahadisoam-pitantanana: Nanentana ireo mpiasan’ny ANMCC ny CDBF
Ny 19 Jona 2026 no fotoana niarahan’ny CDBF tamin’ny « Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales » (ANMCC), izay rantsa-mangaikan’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra, tao amin’ny biraon’izy ireo tao amin’ny Maison des produits 67Ha. Atrikasa izay tafiditra anatin’ny asa fanentanana momba ny fahadisoam-pitantanana hoentin’ny fitaleavan’ny fisorohana ao amin’ny CDBF.
Nanokatra ny fotoana ny Tale Jeneralin’ny ANMCC, Andriamatoa BARTHÉLÉMY, nanambara sy nanazava ireo asa sy andraikitry ny ANMCC. Tetsy ankilany ihany koa, ny CDBF, izay notarihin’i Ramatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole, Talen’ny fisorohana, dia nampahafantatra ireo andraikitra sy ireo sazy voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery ary ireo dingana amin’ny fampidirana raharaha eo anivon’ny CDBF.
Toy ny mahazatra dia nisy ny fotoana nifanakalozan-kevitra, izay fotoana indrindra nahafahan’ireo mpandray anjara nanontany ireo izay mety mampiahiahy azy ireo anatin’ny fanatanterahana ny asany.
Tsapa fa na mifanakaiky sy iray tokotany aza dia tsy voatery hifankahalala ny asa tena sahanina fa ilaina foana ny fifanatonana. Hitohy hatrany ny asa fampahafantarana sy fanentanana ataon’ny CDBF manerana ny Nosy mba ho tratra ny tanjona, dia ny fampiroboroboana ny fitantanana tsara ho fiarovana ny fananam-bahoaka.




