Ny CDBF manamafy ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana tany amin’ny Faritra SAVA

by | Juil 10, 2026

Ho fampiroboroboana ny fitantanana madio sy mangarahara eo amin’ny fitantanam-bola eo anivon’ny raharaham-panjakana, ny delegasionan’ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) dia nanatanteraka iraka nisesy tany amin’ny Faritra SAVA ny 01 ka hatramin’ny 07 Jolay 2026, notarihin’ny Talen’ny Fisorohana, Ramatoa RABEMANTSOA Princia Nicole, sy ny Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fisorohana, Andriamatoa BERA François Landrie. Ity iraka ity, izay niarahaniasa tamin’ireo manam-pahefana isan-tokony tany an-toerana, nifantoka indrindra tamin’ny fanentanana sy ny fampiofanana ireo mpisehatra amin’ny tetibola. Ny tanjona dia ny fampahafantarana ny andraikitry ny CDBF, ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana, ary ny fampiharana ireo fomba fiasa tsara indrindra ho an’ny fampiasana ny drafim-bola ho tombontsoan’ny vahoaka

Fitsidihana ireo manam-pahefana ao SAVA

Ny delegasionan’ny CDBF dia nanao fitsidihana tam-panajana ireo manam-pahefana tany an-toerana. Ny 1 Jolay 2026, noraisin’ny Prefen’i Sambava, Andriamatoa RABEMAMORY Adèle Bienheureux, ny delegasiona; ary ny 6 Jolay 2026 kosa dia noraisin’ny Lehiben’ny Distrikan’Antalaha, Andriamatoa RAHARISON Tsirinilaina. Ireo fihaonana ireo dia nahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy sy ny fandrindrana ny asa izay ho hatao

Fivorian’ny CRGP sy ny Kaominina Ambonivohitra Sambava

Ny marainan’ny 2 Jolay 2026, nandray anjara tamin’ny fivorian’ny « Club Régional de Gestion Publique » (CRGP) ny CDBF, tao amin’ny Hotel des finances Sambava, teo ambany fitarihan’ny Prefe. Mpandray anjara miisa 137, ahitana ny tompon’andraikitry ny MEF, STD, sy CTD, no nampahafantarina ny fitsipika mifehy ny fitantanam-bola, ary miisa 136 ny bokikely torolalana nozaraina. 

Ny tolakandro kosa dia nisy ny fifanakalozana tamin’ny Ben’ny Tanànan’i Sambava, Andriamatoa RAMANGALAZA Judicael, mikasika ny fanamby amin’ny fitantanana ny tetibolan’ny kaominina sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao.

Fitsidihana ny Kaominina Ambanivohitra Bemanevika (Distrikan’i Sambava)

Ny 3 Jolay 2026, nisy ny fifanakalozana traikefa teo amin’ny solontenan’ny CDBF sy ny mpiasa izay notarihan’ny ireo Adjoints Maires, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Bemanevika. Nampahafantarina tamin’izany ny asa sahanin’ny CDBF, indrindra ny amin’ny fampiharana fitantanana mangarahara. Nifampizarana ihany koa ireo olana  sy ny fomba fisorohana ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fitantanana ny kaominina.

Fanentanana ireo mpisehatra amin’ny Tetibola ao Antalaha

Ny 6 Jolay 2026, nisy ny atrikasa lehibe notarihin’ny Lehiben’ny Distrikan’Antalaha, tao amin’ny biraon’ny Distrika, natao ho an’ireo mpandraharaha ny volam-panjakana, ny mpitahiry vola, ary ireo mpitantana isan-tsokajiny.

Ny tolakandro kosa dia nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ny Ben’ny Tanànan’Antalaha, Andriamatoa MATAVAR Mickael, izay nifantoka tamin’ny rindra tsara ho an’ny fampidirana ny hetra sy ny fampiasana ny volam-bahoaka am-pahamendrehana.

Fitsidihana ny Kaominina Ambanivohitra Farahalana (Distrikan’i Sambava)

Ny 7 Jolay 2026 no namaranana ny dian’ny delegasiona tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Farahalana. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Ben’ny Tanàna, Andriamatoa RANDRIANASOLO Robert, sy ireo tompon’andraikitra, nivoitra ny olana mianjady amin’ny kaominina toy ny tsy fahampian’ny hoenti-manana sy ny fitakiana ny tamberim-bidy (Ristournes, IFT, IFPB). Nanome torohevitra sy zotram-pifandraisana ny CDBF mba hisian’ny fitantanana mahomby na dia eo aza ny fahasahiranana.