CENAM: Hamafisina ny fanajana ny fitsipika mifehy ny volam-panjakana

by | Avr 17, 2026

Nisy ny atrikasa niarahan’ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF) tamin’ny CENAM (Centre National de l’Artisanat Malagasy) tetsy 67 Ha Atsimo, ny 16 Aprily 2026. Nampahafantarana ny andraikiny sy ireo fahadisoam-pitantanana mety hiteraka sazy.

Araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny CENAM, Ramatoa RALAHY Fabienne, dia misy ny fahasahiranana amin’ny fanefana ny fandaniana noho ny fomban’ny ‘Agent Comptable’. Izany dia voatery mampamoaka vola am-paosy ny mpiasa indraindray, nefa voafetra sy voafehin’ny lalàna izany fomba izany. Noho izany, nanentana ny mpiara-miasa rehetra ny Tale Jeneraly mba hahay hitantana am-pahitsiana sy hanaja ny fitsipika.

Nisongadina ihany koa ny fahasarotan’ny fitantanana ny fananam-panjakana ao amin’ny CENAM, indrindra ny fanaovana ‘inventaire’, nisy ihany koa ny dinika amin’ny fomba azahoana fanampiana amin’ireny mpiara-miombon’antoka ireny.

 Ireo teknisianina avy amin’ny CDBF kosa dia nanome toromarika sy nanoro ny lalana tokony harahina eo amin’ny fitantanana ara-bola. Tsy mitsahatra mampatsiahy ny maha zava-dehibe ny fanajana ny lalàna manan-kery hatrany Ramatoa Tale Jeneraly mandritra izao fihaonana izao.