CDBF sy ny DAI : dingana lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahadisoam-pitantanana

by | Avr 20, 2026

Nitsidika ny CDBF ny solontenan’ny Direction de l’Audit Interne (DAI), rafitra lehibe misahana ny fanaraha-maso anatiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), ny 17 Aprily 2026. Notarihin’ny lehibeny, Andriamatoa DIMBY, izy ireo tamin’izany.

Ny tanjon’ity fihaonana ity dia ny hanehoan’ny roa tonta ny andraikitra sy asa sahaniny tsirairay avy, ary koa ny fametrahana fiaraha-miasa maharitra. Samy mikendry ny fampanjakana ny fitantanana tsara sy mangarahara izy ireo, izay mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana.

Ny CDBF dia miompana amin’ny ady amin’ny fahadisoam-pitantanana, raha ny DAI kosa mifantoka amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nohamafisin’ny Filohan’ny Filankevitra Atoa RABENDRAINY Eliezer Rowlands  fa mifamatotra ireo sehatra roa ireo, satria matetika ny tsy fetezana ara-pitantanana no mety hitarika amin’ny kolikoly. Noho izany, nanentana ny DAI izy mba hampahafantatra sy hamporisika ireo tompon’andraikitra ao amin’ny MEF manana fahefana hitory eo anivon’ny CDBF, mba handefa raharaha raha sendra misy fahadisoam-pitantanana azo saziana.

Notsipihin’ny lehiben’ny sampandraharaha ao amin’ny DAI, Andriamatoa RANOELIMANANA DIMBY Tsilavina, fa ady iombonana ny ady amin’ny kolikoly, satria fantatra fa mampahantra ny firenena izany. Nambarany ihany koa fa ity fihaonana ity no dingana voalohany hanamafisana ny fiaraha-miasa, mba hahafahana manome fitoniana sy fahatokisana ho an’ny vahoaka amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Nanamafy izy fa vonona ny DAI sy ny ekipany hanohana ny CDBF amin’ny lafiny maro, indrindra amin’ny fisorohana ny tsy fetezana, anisan’izany ny fampahafantarana ny andraikitry ny CDBF amin’ny alalan’ny « stack » regionaly eo anivon’ny MEF.

Araka ny nambaran’ny Tale Jeneraly, Andriamatoa OLAF Francis, dia zava-dehibe ity atrikasa ity ary irina ny hitohizany. Efa misy ihany koa ny fikasana hampifandray bebe kokoa ny asa ataon’ny roa tonta, mba hampihenana ny fahadisoam-pitantanana sy ny kolikoly.

Maro ireo teboka nisongadina nandritra ny fifanakalozana,tahaka ireto manaraka ireto :

  • Ny maha-samihafa ny CDBF sy ny BIANCO, ary ny fanazavana ny elanelana misy eo amin’ny fahadisoam-pitantanana sy ny kolikoly
  • Ny momba ireo olona sy rafitra afaka mitory eo anivon’ny CDBF
  • Ny fahefan’ny DAI manoloana ireo fitaleavana samihafa ao amin’ny MEF
  • Ny paikady fisorohana ataon’ny CDBF manoloana ny fahadisoam-pitantanana
  • Ny fandrindrana  « stack » na ny rafitra eo anivon’ny MEF sy ny fifandraisany amin’ny CDBF

Vokatry ny fihaonana dia samy resy lahatra ny roa tonta fa mifameno ny andraikiny, ka antenaina fa tsy ho ela dia hisy ny fananganana fiaraha-miasa ofisialy.