Kabarin’Andriamatoa Tale Jeneraly vaovao eto amin’ny CDBF nandritra ny lanonana famindram-pitantanana teo aminy sy ny Tale Jeneraly teo aloha

by | Mai 5, 2025

Alatsinainy 5 mey 2025

Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Governemanta ;
Ianareo rehetra izay mandrafitra ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra, amin’ny haja sy ny laharam-boninahitrareo tsirairay avy ;
Andriamatoa Filohan’ny Filankevitra sy ianareo mpikambana eo anivon’izany ;
Ianareo olo-manan-kaja nasaina rehetra ;
Ianareo STAFF eto anivon’ny CDBF ;
Isika mpiara-miasa rehetra.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny angady tokoa hono no manadihady asesiky ny zara harara, ny famaky no mamakivaky asesiky ny tana-mandrasa, fa ny tenako kosa raha hitondra ny teny manoloana antsika mianakavy voatanisa teo ambony dia eo ny fitiavana sy ny andraikitra vaovao iantsorohako eto anivon’ny CDBF.
Koa manao azafady, manao mbay lalana Tompoko, ary tsy maintsy miala tsiny ihany koa ny tenako satria :
✓ Ny tambolimbolin-tadio hono mantsy mahaditsoka ;
✓ Ny tsingeringerin’ankizy mahafanina ;
✓ Fa ny miambakavaka fiteny mahamena-maso.

Izay ary no ela Tompokolahy sy Tompokovavy, koa ny teniko ety am-piandohana dia faly miarahaba sy mandray am-pitiavana anareo rehetra tsy asiam-panavahana.

Tonga amin’ny fotoana nifanomezana isika androany, handraisako ny andraikitra lehibe nanendrena ahy. Ka ny isaorako voalohany amin’izany dia Andriamanitra Andriananahary izay mbola nanome tombon’andro sy nanambina ahy amin’izao fotoana izao.

Mankasitraka an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny tenako, tsy nitsipaka ny fanendrena ahy. Tahaka izany ihany koa ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, tsy nametraka ahiahy tamin’izao fanendrena ahy ho Tale Jeneralin’ny Filankevitra ara-pitsipika mifehy ny teti-bola sy ny vola izao.
Manaraka izany, ankasitrahako ianao Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Governemanta, tamin’ny fahatokisana ahy ka nanatanterahanao ny andraikitra tandrify anao, mifandraika amin’izao fanendrena ahy izao. Ianao tokoa ilay mpanabe, mpampianatra, izay noraisiko ho modely hatrany.

Eo ihany koa ianao Andriamatoa Directeur Administratif et Financier eo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra, izay tsy nitsahatra niahy anay, tamin’ny fotoana rehetra nilànay fanampiana na ara-kevitra, na ara-pitantanana.

Andraikitra goavana tokoa no napetrakareo tamiko amin’ny fampandehanana ny CDBF, izay rantsamangaika anisan’ny manan-danja tokoa eo amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny volam-panjakana eto amin’ny firenena. Raha ny ao amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana tokoa dia ANDRY lehibe FAHATELO ny fivoizana ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana na bonne gouvernance.
Manome toky anareo aho fa tsy handraraka ilo mby an-doha, ka hanatanteraka izany andraikitra nanendrena ahy izany amin’ny heriko rehetra, ombam-pijery sy famindra vaovao, miaraka amin’ireo mpiara-miasa rehetra tsy asiam-panavahana.

Fankasitrahana lehibe ihany koa no atolotro ho anareo tompon’andraikitra ambony rehetra eto anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra tamin’ny fandavan-tena ka nanotronanareo anay teto amin’ity lanonam-pamindram-pitantanana ity.
Mankasitraka feno ny Filankevitra, izay eo ambany fitarihan’Andriamatoa Filohany, sy ireo mpikambana amin’izany Filankevitra izany, ny tenako, tamin’ny fiaraha-miasa hatramin’izay sy ny mbola hiaraha-misalahy. Teo hatrany ianao Filoham-boninahitra, tsy nikely soroka nanoro hevitra, nifampizara ny mahasoa entina hampandrosoana ity CDBF ity.

Manome voninahitra sy misaotra an’Andriamatoa Tale Jeneraly nodimbiasako ihany koa ny tenako, tamin’ny ezaka izay vitany tamin’ny fitantanana ny CDBF. Ary eto aho dia manome toky fa hanohy izay fanamby efa natomboka, ary hitondra ny traikefa ananako hampamiratra sy hanamafy indray ny toerana misy ity rantsamangaika eo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra ity. Mirary soa azy aho, hahefa be amin’ireo andraikitra izay mbola hiantsorohany.

Ankehitriny aho dia mitodika aminao Andriamatoa Tale Jeneraly, manome voninahitra sy misaotra anao aho tamin’ny ezaka izay vitanao. Manome toky aho fa hanohy ny fanamby nilofosanao, izay efa natomboka, ary hitondra ny traikefa ananako mba hampamiratra sy hanamafy indray ny toerana misy ity rantsamangaika eo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra ity.Voaray, M. Le DG, ny toro-marika sy ny tso-drano be vata nomenao ahy teo. Mankasitraka indrindra. Mirary soa anao izahay ekipa rehetra tsy ankanavaka eto anivon’ny CDBF. Mahefa be amin’ireo andraikitra izay mbola ho ankinina aminao.

Tsy haiko ny hanadino ary isaorako mitafotafo ireo mpiara-miasa tsy ankanavaka, tarihin’ireo Tale rehetra namana sy ireo chefs de service, tamin’ny fiaraha-miasa hatramin’izay, ny faharetana, ny fikaonan-doha, sy ny fikarohana izay hampandroso marina ity departemanta ity. (Miangavy anareo aho mba hitsangana, ary mendrika tehaka izy ireo.)

Eto aho dia manome toky anareo fa hiezaka hijery manokana ny maha-olona, izay andry voalohany ao anatin’ny Politique Générale de l’État, hikatsaka ny mahasoa antsika ho entina hanatanterahana ny andraikitry ny tsirairay, hampahomby ny fanarenana amin’ny lafiny rehetra.
Merci anareo jiaby, mijoro, manao ezaka goavana miaraka amiko, hampandroso haingana ny asantsika eto amin’ny CDBF. (Mahazoa toerana Tompoko.)

Ary farany, kanefa manan-danja indrindra amin’ny fiainako, dia mitodika manokana amin’ny fianakaviako aho. Misaotra ny vadiko, tamin’ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra, na ara-tsaina, na ara-moraly, na ara-batana. Tsy hadinoko ireo zanakay izay loharanom-pahasambarana ho anay ka manome hery ahy hilofo mafy amin’ny fiainana. Tsaroako manokana eto koa ireo ray aman-dreny sy ireo iray tampo rehetra.

Ny fisaorana hono toy ny fary lava vany, ka tsy mety lany hamamiana.
Koa dia sitraka sy telina no asetriko ho anareo tsy ankanavaka, naharitra nihaino ny lahateniko.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.