Fitsidihan’ny CCOC teto amin’ny CDBF: Fiaraha-mientana ho fiarovana ny volam-bahoaka
Nangataka fihaonana ka tonga teto amin’ny CDBF, ao amin’ny « immeuble Maison des Produits » 67ha, ny Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes (CCOC) androany 03 Jiona 2026. Nifantoka tamin’ny asan’izy ireo sy ny an’ny CDBF ny resadresaka nifanaovana. Ny tanjon’izy ireo dia ny fiaraha-mientana miaraka amin’ireo sampandraharaham-panjakana misehatra amin’ny fanaraha-maso sy fiarovana ny volam-bahoaka, ao anatin’ilay tetikasa « Aoka izay ny tsy maty manota » izay karakarain’ity fikambanana ity.
Andriamatoa MANDIMBIJAONA Razafimanantsoa, Mpandrindra ny tetikasa, no nitarika ny ekipa solontena avy ao amin’ny CCOC. Nanambara ny tenany fa mila fifanomezan-tanana ny ady iarahana, ary vonona izy ireo hifanampy amin’ireo sampandraharaham-panjakana mba hanaovana ny fanentanana sy ny ady sisika tokony hatao amin’ny resaka tetibola sy fampitaovana. Izany dia hahafahan’ny tsirairay manatanteraka ny asany antsakany sy andavany, mba hahazoana vokatra tsara kokoa hisorohana ny fahaverezan’ny volam-bahoaka, toy ny voalazan’ny tatitry ny «Cours des Comptes » farany teo.
Nisy ny famaliana ireo fanontaniana vitsivitsy napetrak’ireo ekipan’ny CCOC. Ireo lehibe tandrify izany avy eto amin’ny CDBF no namaly izany, notarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly, OLAF Francis, izay natrehin’ny Talen’ny Tsenam-barom-panjakana, ny Tale Teknika mpisolo toerana, ary ny Lehiben’ny sampandraharaha vonjimaika.
Nanamarika Andriamatoa Tale Jeneraly fa vonona sy misokatra foana ny CDBF amin’ny fiaraha-miasa na amin’iza na amin’iza, rehefa mitovy ny tanjona, dia ny: « Mba ho tsara tantana ny volam-panjakana ». Nisaotra ny CCOC koa ny tenany satria manampy amin’ny serasera hahafantaran’ny maro ny CDBF sy ny vokatry ny asany izao fiaraha-miasa izao.
Fanombohana fotsiny ny androany fa mbola hisy ny fihaonana manaraka. Maro mantsy ny hetsika homanin’ny CCOC ato ho ato momba ny ady amin’ny fitantanana sy fitsinjarana ara-drariny ny volam-panjakana ao anatin’izao fanavaozana izao.




