Fitantanana mangarahara ao amin’ny ORTM: Atrikasa niarahana tamin’ny CDBF

by | Avr 10, 2026

Nanatanteraka atrikasa fanentanana momba ny fitantanana ny volam-panjakana ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF) tao amin’ny «  Office de la Radio et de la Télévision Publique de Madagascar » na ny ORTM, teo Anosy, ny 08 aprily 2026. Ny tanjona dia ny hisorohana ny fahadisoam-pitantanana sy ny hampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana.

Andriamatoa Mahatovo Tahirisoa, Talen’ny Fitantanana sy ny Vola ao amin’ny ORTM, dia nanamafy fa ny fitantanana madio no politikan’izy ireo. Ramatoa Rabemanantsoa Princia Nicole, Talen’ny Fisorohana ao amin’ny CDBF, kosa dia namporisika ny tompon’andraikitra hanana fahasahiana hanaraka ny lalàna na dia mety misy aza ny tsindry avy amin’ny ambaratonga ambony.

Nisongadina tamin’ny fifanakalozana ny faniriana hanana fizakantena ara-bola manoloana ny ministera mpiahy sy ny tokony hanitsiana ny pitsopitsony amin’ny tsenam-barom-panjakana (PRMP). Naniry ihany koa ny ORTM ny hisian’ny atrikasa miaraka amin’ny ministera mpiahy mba hamahana ny olana miverimberina.