Fitantanam-bolam-panjakana Faritra Alaotra Mangoro: Nohamafisina ny Fiaraha-miasa teo amin’ny CDBF sy ireo Manampahefana any Ifotony

by | Juin 10, 2026

Tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny 02 Jona hatramin’ny 05 Jona 2026, ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavana Misahana ny Fisorohana (DP) ao amin’ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) dia nanao hetsika maro tany an-toerana. Fampahafantarana ny CDBF sy fanentanana mahakasika ny fitantanam-bolam-panjakana no votoatin’izany.

Teo ny fihaonana nifandimby sy ny fandraisan’ireo manampahefana isa-tsokajiny ny delegasionan’ny CDBF tany an-toerana:

  • Andriamatoa RANDRIANTSITOHAINA Naivo Frédéric, Lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny Tetibola (SRB) Alaotra Mangoro;
  • Andriamatoa RABEMANANJARA Joseph Elire, Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro;
  • Andriamatoa RANJAKAMANANA Stephen Wild, Prefe ao amin’ny faritra;
  • Ny Mpanampy Voalohany sy Faharoa ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambonivohitra Ambatondrazaka.

Andriamatoa Prefe avokoa no nanokatra ny fotoana rehetra, ary samy tao amin’ny Tangorona, efitrano malalaky ny faritra, no nanatanterahana ireo fanentanana rehetra. Ny 04 Jona no nifanatrehana tamin’ireo « Services Techniques Déconcentrés » (STD) sy ireo « Établissements Publics Nationaux » (EPN) rehetra. Ny 05 Jona kosa dia niarahana tamin’ireo Collectivités Territoriales Décentralisées (CTD). Teo ihany koa ny fihaonana manokana tamin’ny Kaominin’Imerimandroso, niarahana tamin’ny Ben’ny tanàna ANDRIANALAY Tsivery Christian Dominique.

Ilaina ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo manampahefana eny ifotony mba hialan’ny tahotra sy hampitombo fahatokisan’ny vahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny enti-manana ihany koa no anisan’ny olana amin’itony hetsika any amin’ny faritra itony. Nefa any no tena ahitana ireo fandikan-dalàna ara-bola, izay mety noho ny tsy fahafantarana.

Ny CDBF, amin’izao fotoana izao, dia ao anatin’ireo ady sisika samihafa sy fitadiavana mpiara-miombon’antoka. Ary manao ny ezaka rehetra izay tratra amin’ny asa manandrify azy amin’izay eo am-pelatanana.