Fanjakana tsara tantana: nihaona ny OMH sy ny CDBF
Ny 11 jona 2026 ny anjaran’ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) tamin’ny fampahafantarana sy fanentanana nataon’ny Filankevitra Ara-pitsipi-Pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) tetsy « IT Station » Behoririka.
Nitarika ny fotoana Andriamatoa RAVELOSON Cydolain, Tale Jeneralin’ny OMH. Nanambara izy fa efa ela no nanirian’izy ireo hitafa amin’ny CDBF mba hahafantarany misimisy kokoa momba ireo fahadisoam-pitantanana ara-bola mety hahazoana sazy. Tonga mavitrika tao avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toy ny « Directeur de la Normalisation et du Contrôle », ny « Directeur Administratif et Financier », ny « Personne Responsable des Marchés Publics » (PRMP), ary ireo « comptables » sy tompon’andraikitra hafa ao amin’ny OMH.
Nanentana ny rehetra hiala amin’ireo fomba ratsy mety ho efa nahazatra amin’ny resaka fandikan-dalàna mahakasika ny fitantanan-draharaham-panjakana ny CDBF.
Fanirian’ny roa tonta moa ny hahazoana vokatra mivantana amin’ny atrikasa izay natao sy ny hisian’ny fiaraha-miasa momba ny fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana.




