Atrikasa ho an’ny ATT: Fitantanana madio no antoky ny fampandrosoana
Tontosa ny 14 aprily 2026 lasa teo, tao amin’ny foiben’ny ATT Soarano Antananarivo, ny atrikasa momba ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ara-bola. Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF) no nitarika ny fiofanana.
« ATT matanjaka no tanjona »
Nandritra ny fanokafana, ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny ATT, ny Général de Brigade RAKOTOMALALA Heriniaina, dia naneho fisaorana ny CDBF tamin’izao atrik’asa izao. Nohamafisiny fa ny fananana ATT matanjaka sy manara-dalana no tanjona lehibe tamin’izao hetsika izao.
Ny fisorohana: « Aleo manontany toy izay manaonao foana »
hoy Andriamatoa BERA François Landrie, Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Asa Fisorohana ao amin’ny CDBF, ho fanentanana ny tompon’andraikitra mba tsy ho voasazy noho ny tsy fahafantarana.
Nandritra ny fifanakalozana, nivoaka ireo lohahevitra mafana toy ny:
- Ny mety ho fanitarana ny fahefana mitoroka eo anivon’ny CDBF.
- Ny andraikitry ny CDBF manoloana ny tatitra navoakany « Cour des Comptes ».
- Ny fandrindrana ny asan’ireo rafitra mpitsirika ara-bola samihafa.
- Ny mety ho fanitsiana ny Lalàna 2004-006.
Teo ampamaranana, nanamafy Ramatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole, Talen’ny Fisorohana ao amin’ny CDBF, fa ny fisorohana dia tsy natao hampitahorana fa tari-dalana mba tsy ho voadona amin’ny sazy. Namporisika ireo manam-pahefana ihany koa izy mba tsy hisalasala hitondra raharaha eo anivon’ny CDBF raha misy ny mampiahiahy.
Noho ny fahombiazan’ny fihaonana, ny Tale Jeneralin’ny ATT, Ramatoa RATOVOHERY Mirambololona, dia naneho ny faniriany mba hamerenana ny atrikasa toy izao indray amin’ny manaraka noho ny fahateren’ny fotoana.




