« Aviation Civile de Madagascar » na ny ACM : Vonona hanova pejy, hanadio ary hametraka fitantanana mangarahara

by | Nov 26, 2026

Ivato, 25 Novambra 2026 – Notanterahina tetsy amin’ny foiben’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM) eny Ivato, ny alarobia 25 novambra 2026, ny atrikasa fampahafantarana ny andraikitry ny Filankevitra Ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) sy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra ara-bola ao amin’ny ACM. Nandray anjara tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny ACM, ny Tale Jeneralin’ny CDBF, ny solontenan’ny « Conseil d’Administration », ary ny « Agent Comptable »-n’ny ACM.

Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny ACM, Andriamatoa RAKOTOARISOA Alban, fa nisedra olana maro ny rafitra tamin’ny lasa — toy ny trosa manodidina ny 11 miliara ariary — izay sady vokatry ny fiatraikan’ny « COVID » no vokatry ny fitantanana tsy mahomby. Nohamafisiny anefa fa betsaka ny ezaka efa natao hanarenana izany, toy ny fanoloana ireo olona tsy mendrika sy ny fanaraha-maso maro isan-karazany. Notsindriny fa tsy ho avelany moramora ny gaboraraka, ka naka ohatra tamin’ny raharaha « Boeing 777 » izy, izay manohintohina ny fandriam-pirenena, satria olom-bitsy no manao ny ataony nefa ny Malagasy iray manontolo no mizaka ny vokany.

Araka ny nambarany dia tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny ACM ny fitantanana tsara tantana, ka anisan’izany izao atrikasa niarahana tamin’ny CDBF izao, izay nisaorany manokana ny CDBF. Manomboka miverina ny fahatokisan’ny rehetra ny ACM : mitombo ny fangatahana sidina eto Madagasikara, ary miverina manatevin-daharana ny ACM ireo manam-pahaizana malagasy. Nanafatra ny mpiara-miasa rehetra izy mba hasahy hitoroka raha mahita fandikan-dalàna, na eo amin’ny tenany aza, mba hahatratrarana ny tanjona, fa tsy entina hampitahorana akory. Nampirisika ny CDBF ihany koa izy mba hanao fampahafantarana toy izao any amin’ny sampandraharaham-panjakana rehetra, ary nangataka ny CDBF mba handray andraikitra haingana amin’ny fanasaziana ireo manodikodina volam-panjakana.

Maro ireo fanontaniana napetraka nandritra ny fifanakalozan-kevitra, ohatra amin’izany ny maha samy hafa ny « Direction Générale du Contrôle Financier » (DGCF) sy ny CDBF,  ny manodidina ny tambin-karama, resaka « réquisition », « prix exorbitant marché public »… Liana tamin’ny resaka fahadisoam-pitantanana ny tao amin’ny ACM ; satria moa voafetra ny fotoana dia nampatsiahy ny avy ao amin’ny CDBF fa misokatra hatrany ny fifandraisana raha misy fifanampiana ilaina.

Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny CDBF, Andriamatoa OLAF Francis, fa mavesatra ny fatiantoky ny Fanjakana, tsy mora ny fanarenana izany, tena ilaina ny fifanoloran-tanana. Nidera ny fahasahiana sy ny fahitsian’ireo tompon’andraikitra sasany izay efa manao izany izy, sady mamporisika hatrany ireo hafa.