Fiofanana FAT sy CAF: ny CDBF, vonona ho modely amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana

by | Juil 10, 2026

Antsirabe, 07-08-09 Jolay 2026 : Vonona amin’ny  fampandrosoana sy fanatsarana ny raharaham-panjakana ihany koa ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF). Nandray anjara mavitrika tamin’ny fiofanan’ireo « points focaux » (andiany faha-3) ny CDBF. Ity hetsika ity dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasa « Facilité d’Assistance Technique » (FAT).

Atrikasa nifantoka tamin’ny fampiharana nandritra ny telo andro

Ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, izay notanterahin’Andriamatoa AUGUSTE Marius Arnaud, no nanombohana ny asa nandritra ny telo andro, notarihin’i Andriamatoa SALLOUM Peter, Lehiben’ny Mpanolotsaina Teknika ao amin’ny PNUD. Mpandray anjara manodidina ny 60 eo ho eo, tao anatin’izany ihany koa amin’ireo rantsana namana miankina amin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra, no nanaraka ity fiofanana momba ny fomba fiasa ity:

  • Andro 1: Fandalinana ny fomba fiasa amin’ny fijerena ny olana misy.
  • Andro 2: Fampiharana ny fitaovana fanaovana tombana anatiny CAF (Common Assessment Framework). Nisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ Andriamatoa KASY Emile, Tale Jeneralin’ny ENAM, nizara traikefa mahasoa momba ny fampiroboroboana ny « Excellence » eo amin’ny asa.
  • Andro 3: Atrikasa fampiharana nifantoka tamin’ny fandrafetana ny drafitra fanatsarana sy ny fahaizana mameno ireo takelaka « Plan d’Amelioration».

Mba hampiharana ireo fahalalana azo ireo, nizara ho vondrona misy olona enina ny mpandray anjara. Ny vondrona nisy anay dia nandalina manokana ny momba ny OMNIS, nanao tombana feno nanomboka tamin’ny fitiliana ireo olana eo anivon’ny rantsana ka hatramin’ny fandrafetana drafitra fanatsarana mirindra tsara.

Andriamatoa IANDRILALA, Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Besinimaro, no voatendry ho Mpiandraikitra na « Point Focal» eto anivon’ny CDBF. Ny andraikitra miandry azy dia ny fandrindrana ny asa tombana anatiny sy ny fitarihana ny fandrafetana ireo tetikasa..

Fandaram-potoana manaraka ho an’ireo  Mpiandraikitra rehetra:

  • 20 Jolay 2026: Lapa Filoham-pirenena Iavoloha ho an’ny fanombohana ny FAT sy ny fanolorana ny mari-pankasitrahana tamin’ny fiofanana CAF
  • 30 Jolay 2026 : Fotoana hanomezana izay vita amin’ireo dingana amin’ny tetikasa.

 

  • 24 Aogositra 2026: Daty farany handefasana ireo tetikasa fanovana eny anivon’ny DPPR.

Ny CDBF dia manamafy hatrany ny fahavononany ho modely tsara amin’ny asa-panjakana sy ny fahombiazan’ny fanatsarana ny rafitry ny Firenena.