CDBF sy ANALOGH: Ady amin’ny fahadisoam-pitantanana ara-bola
10 Jona 2026: Nisy ny fampahafantarana ny asan’ny CDBF sy ny fanentanana mba hisorohana ny fahadisoam-pitantanana ho an’ireo mpisehatra ara-bola ao amin’ny ANALOGH tetsy Ankadimbahoaka, izay nitohy tamin’ny fifanakalozan-kevitra, naharitra ora roa teo.
Nitarika ny ekipa avy ao amin’ny ANALOGH Andriamatoa SAMBANY Ruffin, Filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) – izay Sekretera Jeneraly (SG) ao amin’ny « Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » ihany koa, sy Andriamatoa RANDRIAMIZAKA Jean Emmanuel, « Directeur des Opérations et de l’Habitat, ny avy ao amin’ny CDBF kosa dia notarihin’ny Talen’ny Fisorohana, Ramatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole. Nanambara Andriamatoa SG fa ny “Ministere Aménagement du Territoire et des Services Fonciers” dia anisany tena miady ihany koa ho amin’ny fitantanana ara-drariny sy ny tokony ho izy ny volam-panjakana.
Ny ANALOGH moa dia EPA (Établissement Public à Caractère Administratif) teo aloha ary efa EPIC (Établissement Public à Caractère Industriel et Commercial) amin’izao fotoana izao, misy fahasamihafana ny lafiny fitantanana ny vola sy ireo lalàna mifehy azy ireo.
Nisy ny ady hevitra momba ny fampiharana ny fitantanana mangarahara, ary anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny Lalàna 2004-006.




