CDBF sy ny Oniversiten’Antananarivo: Atrikasa momba ny fitantanana ara-bola

by | Juin 10, 2026

Tao amin’ny Anjerimanontolo Antananarivo, tao amin’ny « Salle de Thèse », ny Filankevitra Ara-pitsipi-Pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF) ny 9 Jona 2026.

Andriamatoa RAKOTOARISOA Victor James, Talen’ny Kabinetran’ny Anjerimanontolon’Antananarivo, no nanokatra ny fotoana. Tamin’ny lahateny nataony no nisaorany ny ekipan’ny CDBF tamin’izao fandraisana andraikitra izao, ary nanambarany fa tsy ampy ny traikefa na ny fiofanana manokana ho an’ireo tompon’andraikitra sasany voatendry hisahana ny asa mifandray amin’ny fitantanana ara-bola.

Nisaotra ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fahatongavany sy ny faharisihany ny CDBF.

Naneho ny hafaliany ireo mpandray anjara ary maniry ny hisian’ny fiofanana fanampiny, mba hanatevenany ny fahalalany momba ny fitantanana ny volam-panjakana sy ireo sazy mety miandry amin’ireo karazana fahadisoam-pitantanana.