Nanentana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny CNaPS momba ny fahadisoana ara-pitantanana ny CDBF
Antananarivo, 26 Mey 2026 – Nanao atrikasa fanentanana sy fifanakalozan-kevitra, teny amin’ny biraon’ny Tahirim-pirenena Misahana ny Fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) teny Ampefiloha, ny Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF). Ny tanjona fototra tamin’ity hetsika ity dia ny fanamafisana ny mangarahara sy ny fanarenana ary ny fanavaozana ny kolontsaina manoloana ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Nandritra ny laha-teny, Ramatoa HARIMISA Noro Vololona, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CNaPS, dia naneho fankasitrahana izao hetsika fanohanana izao, fa tena ilaina tokoa ho izy. Tetsy an-kilany, Andriamatoa OLAF Francis, Tale jeneralin’ny CDBF, dia nampahatsiahy fa ny fanajana ny fitsipiky ny fitantanam-bola dia andry lehibe hiarovana ny tombontsoam-bahoaka. Samy nanamafy ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa ny roa tonta mba hahombiazan’ity fanovana toe-tsaina sy fomba fiasa ity.
Nitohy tamin’ny famelabelarana amin’ny antsipiriany momba ny fahefana sy ny sazy ampiharin’ny CDBF ny fotoana, ary narahin’ny fifanakalozan-kevitra, nandray anjara mavitrika tamin’ny alalan’ireo fanontaniana momba ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ara-bola ireo mpandray anjara. Ity atrikasa ity dia manamarika ny fiandohan’ny fiaraha-miasa, manoloana ny hampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana takiana eto amin’ny firenena.




