Fitsidihana nataon’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin ny CDBF
Fitsidihana nataon’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF), ny Alatsinainy 04 Mey 2026 tao amin’ny toerampiasany “Maison des Produits 67Ha”.
Taorian’ny fanatontosana ny famindram-pitantanana teo amin’ny Sekretera Mpanatanteraky (SE) ny “Cellule de Prévention et Gestion d’Urgence” (CPGU), dia nitsidika ny CDBF ny Praiminisitra, niaraka tamin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray sy ny Sekretela Jeneralin’ny Gouvernemanta, Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Heritiana Joël. Marihina moa fa nanatrika sy nanome voninahitra ity famindram-pitantanana ity ihany koa ny Filoha sy ny Tale Jeneralin’ny “CDBF” talohan’izao fitsidihana izao.
Noraisin’ny Filoha, ny Tale Jeneraly sy ny mpiasa rehetra teo anivon’ny “CDBF” ny tenany, Andriamatoa Praiminisitra dia nanambara tamin’ny hafatra hentitra fa : “Tsy misy olona tokony hatahorana eto Madagasikara. Tsy tokony hanavahana na iza na iza, eny fa na izaho aza, raha misy fahadisoam-pitantanana mahakasika ny fananam-bahoaka.”




