Fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana : CDBF tao amin’ny « Fonds Routier Madagascar »
Nanatanteraka atrikasa tao amin’ny Fonds Routier Ampefiloha ny Filankevitra ara-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF) ny 07 aprily 2026. Ny tanjona dia ny hampahafantatra ny asan’ny CDBF sy hisorohana ny fahadisoam-pitantanana eo amin’ireo mpisehatra ara-bola.
Nandritra izany, nitondra teny fankasitrahana ny CDBF ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FOND ROUTIER Andriamatoa ROLIN. Naneho ny fahavononany amin’ny fitantanana mangarahara Andriamatoa Beritany Randimby, Tale Jeneralin’ny Fonds Routier. Nasongadiny tamin’izany ny lanjan’ny tatitra atao amin’ny vahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka, ary ny fampiasana ny « redevance » tantanan’izy ireo.
Ramatoa Rabemanantsoa Princia Nicole, Talen’ny fisorohana ao amin’ny CDBF kosa, dia nanentana ny rehetra hanaraka ny lalàna sy ho sahy hitory raha misy ny tsy fanarahan-dalàna hitan’izy ireo.




