Fitantanam-bolam-panjakana eny ifotony: Hifanome tànana ny CDBF sy ny FDL

by | Mar 30, 2026

Tontosa ny 27 Martsa 2026 lasa teo, ny atrikasa nataon’i Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF), momba ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana niaraka tamin’ny « Fonds de Développement Local  » (FDL), tao amin’ny efitrano malalaky ireto farany teo Anosy.

Nafana tokoa ny fotoana, izay notarihin-dRamatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole , Talen’ny Fisorohana ao amin’ny CDBF, tetsy ankilany notarihin-dRamatoa RAMAROSON Vero, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny FDL.

Nisongadina tamin’ny fifampizarana ny mba hanatsarana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola eny ifotony, ary ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny sazy avoakan’ny CDBF.

Raikitra ary fa samy vononana ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fiaraha-miasa matotra, ohatra amin’izany ny fanampiana ny CDBF amin’ny fahampafantarana ny andraikitra sy ireo fahadisoana ara-pitantanana mety mahavoasazy, indrindra eny anivon’ireny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireny.