Kabarin’Andriamatoa Tale Jeneraly eto amin’ny CDBF nandritra ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Talen’ny Fitantanana sy ny Ara-bola vaovao

by | Juin 23, 2025

Alatsinainy 23 jona 2025

Andriamatoa Sekretera Jeneraly Lefitrin’ny Governemanta ;
Ramatoa Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny FID ;
Ramatoa Sekretera Mpanantanterakin’ny CPGU ;
Ianareo rehetra izay mandrafitra ny fitantanan-draharaha sy ny organismes rattachés eo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra ;
Ianareo olo-manan-kaja nasaina rehetra ;
Ianareo STAFF eto anivon’ny CDBF ;
Isika mpiara-miasa rehetra.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Koa satria handika izato voninahitrareo Raiamandreny rehetra, na ara-panjakana io na amin’ny maha-Malagasy, dia tsy maintsy mialatsiny fa ny tsiny hono mantsy dia toy ny antsy maranitra ka izay diso fandrasa tsy maintsy maratra.
Misaotra an’Andriamanitra ihany koa isika fa tafahoana eto amin’izao andro iray toa zato izao.
Ny teninay mpiara-miasa eto amin’ny CDBF iray manontolo, dia faly miarahaba sy mandray am-pitiavana antsika rehetra.
Isaorana manokana Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, sy ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta, namaly ny hetahetan’ny mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny CDBF ka nanomezan’izy ireo antsika Talen’ny Fitantanana sy ny Ara-bola vaovao, tsy iza izany fa Ramatoa FETY Alessandrine Asmina, tanora sady mendrika loatra.
Faly dia faly ny mpiara-miara-miasa rehetra, Andriamatoa Sekretera Jeneraly Lefitrin’ny Governemanta, amin’ny fahatongavanao. Efa ela ihany izahay no naniry ny hitsidianao ny biraon’ny CDBF ka tonga izy ity androany. Eo ihany koa ianareo solontenan’ny Fiadidian’ny Praiminisitra sy ny organismes rattachés izay manotrona anay anio. Mankasitraka anareo Tompoko amin’ny fahafoizana fotoana.
Ankehitriny dia mitodika aminao manokana aho, Ramatoa DAF, amin’izao andraikitra vaovao nanendrena anao izao.
Ny ampitson’ny famindram-pitantanana izay natao ny alatsinainy faha-05 Mey farany teo, dia notendreko ho Talen’ny Fitantanana sy ny Ara-bola mpisolo toerana ianao. Midika izany fa tsy ankiandriandry ny fanatontosana ny fampandehanan-draharaha teto amin’ny CDBF, nanaraka hatrany ny toromarika sy ireo toro-dalana avy amin’ny Fiadidian’ny Praiminisitra.
Koa raisiko ho voninahitra ny misaotra antsika mpiara-miasa rehetra tsy asiam-panavahana: eo ianareo lehiben’ny sampan-draharaha, ianareo Tale namana, ary indrindra Andriamatoa Filohan’ny Conseil, izay nampitondra teny fialantsiny.
Miarahaba anao izahay, Ramatoa DAF, amin’izao andraikitra vaovao sahaninao izao. Ary inoako fa noho ny traikefa izay anananao dia hiroborobo hatrany ny departemanta izay hotantaninao. Efa be ireo niaraha-nanomboka, saingy mbola maro koa ny miandry antsika, ka mitso-drano anao aho hahaleo hahalasana ary hisondrotra amin’ny avo indrindra. Handidy hahita ny vaniny ary hikapa hahita ny tonony. Irian’olo fa tsy haniry olo, ary izay hotandindoninao manga, izay ialofanao maitso mavana. Andriamanitry ny fiadanana anie homba anao sy hitahy anao sy ny ankohonanao.
Manome toky izahay mpiara-miasa rehetra eto amin’ny CDBF fa hametraka fahatokisana tanteraka aminao amin’izao andraikitra raisinao izao.
Ny fisaorana tokoa moa toy ny fary lava vany ka tsy mety lany hamamiana. Isaorako mitafotafo ianareo mpiara-miasa rehetra, nitoto nahafotsy, nisahirana ary tsy nandry andro aman’alina ka nahavanona sy nahatontosa izao lanonana famindram-pitantanana izao.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.