Hamolavolana fifanaraham-piarahamiasa ny CDBF sy ny Bianco

Mihaona ao amin’ny Villa La Piscine Ambohibao ny Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO) sy ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF) ny 14 febroary 2020. Izany fihaonana izany dia notarihan’i Atoa ANDRIANIRINA Laza, Tale Jeneraly ny BIANCO sy Atoa THIANA Erick Christophe, Tale Jeneraly ny CDBF. Ny tanjona dia ny fampahafantarana ny andraikitry ny roa tonta koa nitadiavana izay mety ho fomba fiaraha-miasa azo tanterahina manoloana ny fitantanana tsy mahomby ny volam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly.
Misongadina tamin’ny fifanankalozan-kevitra fa maro be ireo fitoriana voaray eo anivon’ny BIANCO izay tsy mahakasika kolikoly fa mifandraika amin’ny fahadisoam-pitantanana ka noho izany dia tafiditra ao anatin’ny andraikitra sahanin’ny CDBF. Mbola olana anefa ny tsy mahatafiditra ny BIANCO ho anisan’ireo afaka mitory mivantana eny anivon’ny CDBF raha ny lalàna 2004-006 tamin’ny 26 jolay 2004 no jerena. Noho izany dia tokony hisy teknisiana vitsivitsy avy amin’ny CDBF sy ny BIANCO hiaraka hikaon-doha handinika izany sakana izany.
Fehiny, vokatry ny finanantona dia hita fa samy resy lahatra ny an-andaniny sy ny an-kilany fa mifameno ny asan’ny roa tonta ka antenaina tsy ho ela ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piarahamiasa.

« Un projet de convention entre le CDBF et le Bianco »
Le Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO) et le Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF) se réunissent le 14 février 2020 à la Villa La Piscine Ambohibao. La rencontre est dirigée par M. ANDRIANIRINA Laza, Directeur Général du BIANCO et M. THIANA Erick Christophe, Directeur Général du CDBF. L’objectif est l’information réciproque sur les missions respectives des deux organismes afin d’identifier les axes, les formes et les moyens de collaboration possibles dans le cadre de la lutte contre la mauvaise gouvernance financière et la corruption.
Il ressort des discussions que de nombreux cas de saisine du BIANCO ne sont systématiquement pas liés à des faits de corruption mais rentrent dans le champ de la compétence du CDBF. Or, le fait pour le BIANCO de ne pas pouvoir saisir directement le CDBF, conformément à la loi 2004-006 du 26 juillet 2004, constitue un blocage. Ainsi, une équipe restreinte de techniciens issus du BIANCO et du CDBF est à constituer afin de se pencher sur la question.
En somme, à l’issue de la rencontre, les deux entités sont convaincues sur la complémentarité de leur mission et espèrent ainsi, très prochainement, la signature d’une convention de collaboration.




