Fitsidihan’ny Ekipan’ny CDBF ny Birao Foiben’ny SAMIFIN

Notanterahina 21 febroary 2020 ny fitsidihana nataon’ny CDBF (Conseil de Discipline Budgétaire et Fiancière) tao amin’ny Foibentoeran’ny Sampan-draharaha Malagasy Iadiana amin’ny Famotsiambola sy ny asa fampihorohoroana (Samifin) tao Ambohijanaka. Marihina fa ity fihaonana santatra am-bavarano ity dia fahampafantarana ny Samifin ny andraikitry ny CDBF sy ireo fahadisoana ara-pitantanana mety mahavoasazy eo anivon’ny Filankevitra . . Izao fihaonana izao moa dia natao ihany koa mba hifankahafantarana bebe koa eo amin’ny rantsana roa tonta mba hijerena izay hafahana miaramiasa amin’ny fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola. Mbola hisy ny fihaonana faharoa izay hatao ao amin’ny foibe toeran’ny CDBF.

Andriamatoa THIANA Erick Christophe, Tale Jeneraly (ankavanana) Andriamatoa ANDRIANANTENAINA Rabemanisa Tale misahana ny “Etudes et Stratégie” (ankavia)
Ny Tale Jeneraly, Atoa THIANA Erick Christophe arahin’ny talen’ny fisorohana ary ireo lehiben’y sampan-draharaha avy amin’ireo foibem-pitondrana roa ao amin’ny CDBF dia manatrika ny fotoam-pihaonana. Ny ekipa avy ao amin’ny Samifin kosa izay ahitana an’i Tale sy ny Lehiben’ny Sampan-draharaha ara-bola, mpanolo-tsaina ara-tekinika iray, ary ny Mpiandraikitra ny serasera dia tarihan’ny tarihin’ny Atoa ANDRIANANTENAINA Rabemanisa , Tale ny « Etudes et Stratégies ».

Visite de courtoisie du CDBF auprès du Samifin
Le 21 février 2020, le Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF) effectue une visite de courtoisie dans les locaux de la Direction Générale du Samifin à Ambohijanaka. Cette rencontre préliminaire a pour objectif d’informer le Samifin sur la mission et les attributions du CDBF ainsi que les fautes de gestion passibles de sanction auprès du Conseil. Elle aura permis aux deux entités de mieux se connaître afin de trouver des pistes de collaboration dans le cadre de la promotion de la bonne gouvernance, en particulier en matière de finances publiques. Une autre rencontre est prévue au siège du CDBF.
Le Directeur Général, M. THIANA Erick Christophe accompagné du Directeur de la Prévention ainsi que deux chefs de service auprès du CDBF sont présents lors de cette rencontre. L’équipe du Samifin composé notamment du Directeur Administratif et Financier, d’un conseiller technique, du Chef du Service des Affaires Financières, du Responsable de la Communication, est quant à elle dirigé par M. ANDRIANANTENAINA Rabemanisa, Directeur des « Etudes et Stratégies ».




