Maherin’ny 27 miliara ariary ny fampiasam-bolam-panjakana nahitana fahadisoampitanana

by | Oct 10, 2019

 

Araka ny fanambarana izay nataon’ny Andriamatoa Julien RAZAFINDRAKOTO Tale Jeneralin’ny Conseil de Discipline Budgtaire et Financière (CDBF), dia mitentina 27 miliara ariary mahery (27.249.012.883 ar) ireo fampiasam-bolampanjakana nahitana. Izany dia avy amina antontataratasy fitoriana miissa fito ambin’ny folo (17) izay voaray tao anatin’ny iray taona. Izany hoe, raha ny salan’isa, dia ny antontataratasy fitoriana anankiray dia mahasahana fahadisoampitanana mitentina 1 miliara sy 600 tapitrisa ariary (1.603.000.000 ar).

Nanamafy moa ity tomponandraikitra ity fa tsy handefitra amin’ny fampiharana ny lalàna fa dia ho henjana ny sazy avoaka amin’izay izay voaporofo fa nandika lalàna.

Marihina fa telo hetsy ariary (300.000 ar) ka hatramin’ny 30 miliara ariary (30.000.000.000 ar) ny lamandy ampiharina amin’izay mihoapefy araka ny lalàna mifehy ny tetibola 2019.

Ireo no nivoitra nandritra ny “Andro natokana ho an’ny fanjakana tsara tantana amin’ny lafiny ara-bola” izay nokarakarain’ny CDBF ny 10 okobra 2019 tao amin’ny Carlton Madagascar Anosy. Tamin’io ihany koa no nanavon’ity rafitra mpanaramaso ity tatitra ny zavabita nandritra ny taona voalohany niasany tamin’ny fomba ofisialy (03 okobra 2018 – 03 oktobra 2019).