Tonga nihaino ny tompon’andraikitra teny ifotony ny ekipan’ny CDBF

by | Déc 12, 2018

Nandritra ny herinandro namitana ny iraka teo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony dia nanatanteraka fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra maromaro ny CDBF. Izany no natao dia ny mba hihainoana ny olana sedrain’ireo pikirakira ny volam-panjakana ary ihany koa natao ifampizarana traikefa. Tafiditra amin’ny andrikitra fisorohana ho fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana izay sahanin’ny CDBf izany.

Arak’izany dia nisy ny fihaonan’ny delegasionina avy amin’ny CDBF tamin’ny tompon’Andraikitra teo anivon’ny Fiadidiam-Paritry ny Tetibola (Direction Régionale du Budget) ny 04 desambra 2018. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa manao asa fisorohona ihany koa ny teo anivon’ny fiadidiana amin’ny alalan’ny fampianarana ireo mpikirakira vola eny fa hatramin’ny fandraisana an-tanana ny asan’izy ireo aza. Ny olana hoy izy ireo dia fanoloana tomponandraikitra matetika ka lasa miova olom-baovao mbola mila fampianarana indray ireo teo aloha efa za-draharaha.

Ny ampitson’io dia ny Foibem-paritry ny Hetra no nandray ny CDBF. Raha ny mikasika ny fampidiran-ketra manokana dia nanambara Atoa RAMAROJAONA Gabriel H.R, Talem-Paritry ny Hetra Matsiatra Ambony fa tsy dia ahitana trangana fahadisoam-pitantanana loatra ny eo anivon’ny sampana izay iadidiany satria efa tsara fiofanana ireo tomponandraikitra voakasik’izany. Azon’ny Kaominina tsara atao hoy izy ny mangataka fiaraha-miasa amin’ny sampan-draharahan’ny hetra izay efa manana ny fahaizamanao mba ho fanatsarana ny fampididram-bolan’izy ireo.

Ny tsy fahazotoan’ny olona mandoa hetra sy ny tsy fahafantarana izay lalana alehan’ny vola azon’ireo délégué amin’ny haba izay angonin’izy ireo no tena olana amin’ny fampindiram-bola eo anivon’ny Kaominina iandraiketany, hoy Atoa RAKOTOSON Jean Pierre, Ben’ny Tananàn’ny Kaominina Ambanivohitry Mahasoabe raha nihaona tamin’ireo iraka avy amin’ny CDBF. Tanàna mamokatra hoy izy ny Kaominina ary tokony hahaleotena ara-bola tanteraka raha miditra arak any tokony ho izy ny hetra, ristourne sy ny haba mifanaraka amin’izany. Ny 06 desambra 2018 teo no natao izany fiaonana izany.

Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny Kaominina Ambanivohitry Sahambavy, Distrikan’ny Lalangina ny fihainoana nataon’ireto delegasionina avy amin’ny CDBF ireto. Atoa RAMAHAZOMANANA Andrianantenaina izay Ben’ny Tananàn’ity Kaominina ity sy ny mpiara-miasa aminy no niara-nitafa tamin’ireo iraky ny CDBF. Fotoana izay nizaran’ny Tomponadraikitra tao an-toerana fa olana goavana sedrain’ny kaominina ny tsy fandoavan’ny olona ny hetra sy ny haba eny fa na dia ireo orinasa goavana miorina eny an-toerana aza.

Nandritra ireo fihaonana rehetra ireo dia tsy nitsahatra nanentana ny avy ao amin’ny CDBF ny amin’ny tokony hametrahan’ny mpitanatana rehetra ny mangaharahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fanajana ny lalàna velona indrindra fa ny lalàna lf 200-006 izay ampiasain’ny CDBF. Tsy adino ihany koa niantso ireo tompon’nadrikitra rehetra hametraka fitoriana eny anivon’ny CDBF raha mahita trangana fahadisoam-pitantanana arak any fahefana nommen’ny lalàna azy ireo.