Tokony hihena ny goragora eo amin’ny fitantanambolam-panjakana.

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra teo anivon’ny Ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra ny ekipan’ny CDBF ny alakamisy faha 12 septambra 2019 teo. Maro ireo naneho hevitra sy nizara traikefa nandritra ity fotoana famelaberana ny asan’ity sampana mpanaramaso ny fitantanana ny volampanjakana ity.

Atoa Doit-Donné RAKOTOMALALA, DAF MPFFHAM
Nanambara ny Tale ara-bola teo anivon’ity Ministera ity, Andriamatoa Doit-Donné RAKOTOMALALA fa : « Ny andrasanay amin’ny CDBF dia mba ho foana ny fahadisoam-pitantanana, amin’ny lafiny rehetra, indrindra eo amin’ny fanatanterahana ireo tsenam-panjakana. Ny atrikasa dia manome fahalalana bebe kokoa ho an’ny mpikirakira sora-bolampanjakana mba ahafahany mijery ny lalana sy lalàna mikasika ny fitantanana ny volampanjakana. Ka mampahalala ho an’izay tsy mahafantatra ary mampitandrina izay efa mahalala fa efa miasa ny CDBF ka tokony hihena ny tahan’ny goragora eo amin’ny fitantanam-bolampanjakana ».
Araka izany, nibahan-toerana nandritra ny adihevitra fa amin’ny ankapobeny dia amin’ny vidiny lafo mihoatra amin’ny vidiny mahazatra sy tokony ho izy no ifanarahan’ny Fanjakana amin’ireo mpanao tolotra eo amin’ny tsenam-pankajakana. Anisan’ny antony mety mahatonga izany, araka ny resaka nifanaovana, ny paika arahina, indrindra ny fahataran’ny fandoavana ny volan’ireo tompon’ny tsenampanjakana, ka ilàna vahaolana haingana.
Nivoitra ihany koa fa ankoatry ny fanasaziana dia azo atao ihany koa ny manolotra fankasitrahana ireo mpiasam-panjakana manaja sy mahomby amin’ny asany sahaniny.





