Une opportunité pour les acteurs budgétaires de s’actualiser en matière d’infractions budgétaires

by | Août 8, 2019

Toujours dans le cadre de l’action préventive initiée par le Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF), c’était au tour du Ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie d’être l’hôte de la série d’ateliers d’information et d’échange organisée auprès des ministères par la Direction de la Prévention du CDBF.

Selon le Directeur de la Valorisation des Produits du Ministère, Mme CHANMANE Stella Randrianirina : « L’initiative du CDBF est importante pour les acteurs budgétaires présents étant donné que pour ces derniers, c’est une opportunité d’acquérir les connaissances nécessaires en matière d’infractions budgétaires. »

 

 

Le Chef de Service des Actions de Prévention auprès du CDBF, M. Fidisoa RAJOSOANIRINA, a quant à lui insisté sur le fait que « le but ultime de notre entité n’est pas de sanctionner mais d’apporter un changement et une amélioration dans la gouvernance financière à Madagascar. »

FAHAFAHANA HO AN’IREO MPIKIRAKIRA VOLAMPANJAKANA MAHAFANTATRA BE BE KOKOA NY MOMBA NY FAHADISONA ARA-PITATANANA IZAY TSY TOKONY ATAO

Mbola ao anatin’ny hetsika fisorohana izay ataon’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Finanière (CDBF) dia anjaran’ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro indray no nampiantrano ny atrik’asa fampahafatarana sy fifanakalozanan-kevitra izay nokarakarain’ny Sampana fisorohana avy eo anivon’ny CDBF omaly.

Nambaran’ny Tale ny Valorisation des Produits ao amin’io ministera io, Rtoa CHANMANE Stella Randrianiria fa « zava-dehibe ho an’ireo mpikirakira volam-panjakana izay nanatitrika etoana izao hetsika ataon’ny CDBF izao satria fotoana afahan’izy ireo mahafantatra be be kokoa ny momba ny fahadisona ara-pitatanana izay tsy tokony atao amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo avy ».

Nomarihin’ny Lehiben’ny Sampandrandraharaha misahana ny Asa Fisorohana, Atoa Fidisoa RAJOSOANIRINA kosa fa ny « tanjona farany ho an’ny CDBF dia tsy ny fanasaziana akory fa ny fitondrana fiovana sy fanatsarana ny fitantanam-bolam-pajakana eto Madagasikara».