Fifamindram-pitantanana eo amin’ny Tompon’andraikitra misahana ny tsenambarompanjakana (prmp) an’ny filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF)
Notanterahina ny Talata 06 Janoary 2026, tamin’ny 2 ora tolakandro, tao amin’ny efitrano malalaky ny CDBF teny 67 Ha ny lanonana fifamindram-pitantanana eo amin’ny PRMP ao amin’ny CDBF, ka Andriamatoa RAHERINJATOVO Herinirina, PRMP teo aloha, no nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny andraikitra ho an’Andriamatoa RASOLOFO Rajaona Radonirina, PRMP vaovao.
Teo anivon’ny Primatiora, nanome voninahitra ny fotoana:
- Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Héritiana Joël, Sekretera Jeneralin’ny Governemanta (SGG) ;
- Andriamatoa RAMANANTSOA Antsivalahiniriko Eralison Pierrot , Sekretera Jeneraly Lefitry ny Governemanta (SGAG) ;
- Andriamatoa RAJERISOA Adrien, Talen’ny Fitondran-draharaha sy ny Fitantanam-bola (DAF).
Nanatrika ihany koa ireo namana ao amin’ny CPGU, “organisme rattaché” amin’ny Primatiora, notarihin-dRamatoa RABEVOHITRA Bako Nirina, Sekretera Mpatanteraka, ary ireo vahiny maro samihafa.
Teo daholo koa ny mpiasa sy ny mpitantana rehetra ao amin’ny CDBF, notarihin’ny Filohan’ny Filankevitra, Andriamatoa RABENDRAINY Eliezer, sy ny Tale Jeneraly, Andriamatoa OLAF Francis.
Nanokatra ny lahateny ny Tale Jeneraly eo anivon’ny CDBF, izay nisaotra ireo manam-pahefana sy vahiny nanatrika, sady nampita ny hafatra sy fankasitrahana ho an’Andriamatoa Praiminisitra, miaraka amin’ny fanomezan-toky fa vonona tanteraka ny mpiasa rehetra hanatanteraka amim-pahavitrihana ny asa iandraiketany.
Ny Filohan’ny Filankevitra eo anivon’ny CDBF kosa dia nanazava ny andraikitra sy ny iraka sahanin’ny CDBF, ka nanamafy fa na dia sarotra aza ny asa, ny tanjona dia ny mba ho tsara tantana ny volam-panjakana.
Naneho ny fahavononany sy ny fisaorany ny fitondram-panjakana Andriamatoa RASOLOFO Rajaona Radonirina, PRMP vaovao, raha nitso-drano sy nanome torohevitra azy kosa Andriamatoa RAHERINJATOVO Herinirina, PRMP teo aloha.
Teo am-pamaranana ny lanonana, nanao antso ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta mba hanaovan’ny mpiasam-panjakana rehetra ny ezaka ilaina amin’ny hanafainganana ny asam-bahoaka sy ny fanatanterahana ireo raharaha eo am-pelatanana.
Nandritra ny tsaingoka sy goka kosa no nanaovan’ny mpiasan’ny CDBF ny fiarahabana sy firariantsoa noho ny Taom-baovao 2026 an’ireo delegasiona avy amin’ny Primatiora.




