Fanjakana tsara tantana : Atrikasa fanentanana momba ny fitantanana ny volam-panjakana tao amin’ny ANS Ampefiloha

by | Mar 18, 2026

 Ny 17 Martsa 2026, ny Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF), tamin’ny alalan’ny Talen’ny Fisorohana, Ramatoa RABEMANANTSOA Princia Nicole, sy ny Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Asa Fisorohana, Andriamatoa BERA François Landrie, dia nanao fanentanana ho an’ireo mpisehatra fototra miisa folo ao amin’ny « Académie Nationale des Sports » (ANS) Ampefiloha momba ny fitantanana ny volam-panjakana. Teo ambany fiahian’ny Tale Jeneralin’ny ANS, Andriamatoa TSIMIONDREKE Mahasoa Votsobelo, ity atrikasa ity ihany koa dia nampahatsiahy ny mety azahoana sazy raha misy ny fahadisoana eo amin’ny fitantanana, sy nentina nanazavana ny mahasamihafa ny CDBF amin’ireo rantsana na sampan-draharaha mpanara-maso hafa toy ny BIANCO ohatra.