Fampihofanana sy fanentanana momba ny Etika sy ny Deontolojia teo anivon’ny CDBF
Tonga manokana teto amin’ny Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola (CDBF), « Maison des produits », 67Ha ny « Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa sy ny Asam-panjakana (MTEFoP), nanentana sy nanofana momba ny Etika sy ny Deontolojian’ny asam-panjakana ny mpiasa rehetra , omaly 25 febroary 2026. Nandritra ny tontolo andro nanomboka tamin’ny 8 ora maraina, tao amin’ny efitrano malalaky ny CDBF no nanatanterahana izany.
Tonga nanantanteraka ny fampiofanana tamin’izany Ramatoa ANDRIAMIHARIMANANA Clara Mireille, Talen’ny Fitaleavana momba ny Fanombanana, sy ny Fampiroboroboana ny Etika sy ny Deontolojia (DEPED), niaraka tamin-dRamatoa RAVELOTAHIANA Sylvie, Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Etika sy ny Deontolojia, ary Andriamatoa RAKOTONDRAMANGA Farakahy Jean Albert, solontena avy amin’ny Fitaleavana misahana ny fikarakarana ny mpiasa an’ny Fanjakana (DRHE). Nanotrona izany ihany koa Andriamatoa OLAF Francis,Tale Jeneralin’ny CDBF.
Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny fitondrantena mendrika sy ny fanajana ny fitsipi-pitondrantena eo amin’ny asa. Noresahina iany koa ny momba ny « prévention disciplinaire » na ny fisorohana ny fahadisoana ara-pitsipi-pifehezana mba ahafantaran’ny tsirairay ireo fihetsika mety havoasazy.
Zava-dehibe hoy Ramatoa Tale DEPED ny fampahafantarana ny mpiasam-panjakana ireo zo sy andraikitra manerana ny nosy, saingy tsy ampy ny tetibola oenti-miasa ka mba hanaovany antso ho an’ireo ambaratongam-pahefana. Nitondra teny fisaorana ho an’ny MTEFoP sy ny ekipan’ny DEPED ao amin’ny « Direction Générale de la Fonction Publique » Andriamatoa Tale Jeneralin’ny CDBF teny am-pamaranana, satria tsy ny rehetra hoy izy no mahazo fanentanana toy izao. Nanambara izy ny maha zava-dehibe ny hanana mpiara-miasa mendrika, ary namafisiny fa tsy manao ambanin-javatra ny maha olona ihany ko izy.
« Tsy mahay manara-dalàna isika (déontologie) raha tsy resy lahatra fa olona mendrika sy manana ny maha-izy azy (etika) ».




