BCMM: Vonona ho amin’ny fangaraharana sy ny fanjakana tsara tantana arabola

by | Mar 27, 2026

Tontosa teny Ivato, ny 26 martsa 2026, ny atrikasa momba ny fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana ara-bola, niarahan’ny sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany (BCMM) sy ny Filankevitra ara-pitsipi-Pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF).

Notsindrian’Andriamatoa ROGER Luc, ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny BCMM, fa ny fitantanana madio ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena no laharam-pahamehana ho azy ireo.

Ho an’Andriamatoa RATSIMBAZAFY David, Tale Jeneralin’ny BCMM, dia ady iraisana ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Mila fahasahiana, fahavononana ary fanarahan-dalàna izany, araka izay imatesany politikan’ny fanavaozana. Naniry ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta izy, indrindra eo amin’ny lafiny fitantanana ny volam-panjakana.

Nanamafy izany koa Andriamatoa OLAF Francis, Tale Jeneralin’ny CDBF, araka ny nambarany, dia ny fahaiza-mitantana, ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fanajana ny lalàna velona no andry lehibe iorenan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

Nafana ny fifampizarana, nisongadina tamin’izany ny faniriana ny mba hivelaran’ny fahafahan’ireo olona afaka mitory eo anivon’ny CDBF, mba ho tena fitaovana enti-manitsy ny fahadisoam-pitantanana  tokoa ity sampan-draharaha ity.