Atrikasa ho fanatsarana ny fitatanam-bola eo anivon’ny kaominina ao anatin’ny Faritra Matsiatra ambony

by | Déc 10, 2018

Notanterahina tao Fianarantsoa ny Alarobia O5 desambra lasa teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny ny Faritra ny Atrikasa momba ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana izay nanasana ireo Ben’ny Tanàna sy mpikirakira volan’ny kaominiina rehetra ao anatin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

CDBF HAUTE MATSIATRATanjona amin’ity atrikasa ity ny ampahafantarana ireo tompon’anadraikitra eny anivon’ny kaominina fa efa mijoro ary efa miasa ny Filankevitra Ara-pitsipipifehezana momba ny Vola sy ny Tetibola na CDBF (Conseil de Discipline Budgétaire et Financière) ary efa betsaka ireo Ben’ny Tanàna voasazy, araka ny nambaran’Atoa Juliard RAKOTOMALALA, Talen’ny Fisorohana (ny fandikan-dalàna ara-bola) eo anivon’ny CDBF. Saika ho 50% amin’ireo fitoariana tonga eny anivon’ny CDBF hoy izy dia mahakasika tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina avokoa. Ilaina noho izany ny misoroka amin’ny alalan’ny fampahafanatarana ireo fepetra voalazan’ny didy aman-dalàna izay tokony hajaina. Natao ihany koa moa izao fiaonana izao mba hihainoana ny olana mahazo ny kaominina sy ifampizarana traikefa eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Raha nandray fitenenana Rtoa, Irma Juliandres HARILALAINA, Ben’ny Tanàn’ny Kaominina Ambonivohitry Fianarantsoa, dia nankasitraka ny CDBF tamin’ny fikarakarana ny fihaonana ary nanambara ny fahavonan’ny Ben’ny Tanàna eo anivon’ny Faritra ny hanao tsara tantana ny volam-panjakana saingy mavesatra sy sarotra loatra, hoy izy, ny paika arahina ka manahirana ny fiainana azy.

Rtoa Zaielle LALAONIRINA, Sekretera Jeneralin’ny Faritra kosa dia nanipika tao anatin’ny lahateniny fa misedra olana amin’ny tsy fahampian’ny fidiram-bola ny vondrombahoakam-paritra itsijaram-pahefana ankehitriny noho ny olona marisarisa amin’ny fandoavana ny hetra sy ny haba. Mila vahaolana maharitra izany raha ny nambarany.

Nisy ny famelabelaran-kevitra narahina fanontaniana sy adihevitra. Atoa Fidisoa RAJOSOANIRINA, Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Asa Fisorohona (Chef de Service des Actions de Prévention) eo anivon’ny CDBF dia namelabelatra momba ny CDBF, ny antony nananganana azy, ny andraikiny, ny tanjona amin’ny fananganana azy ary indrindra indrindra ireo fahadisoana ara-pitantanana mahavoasazy eo anivon’ny CDBF. Atoa Arnaud BARAKA kosa, izay Lehiben’ny Sampandrahara ho Fampanjakana ny Fanjakana Tsara Tantana Ara-bola (Chef de service de la Promotion de la Bonne Gouvernance des Finances Publiques) eo anivon’ny CDBF dia nanao famelabelarana momba ny atao hoe fitantanam-bola mahomby eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Liana dia liana tokoa ireo mpisehatra miisa 179 tonga namonjy ny atrikasa ary samy nandray anjara mavitrika avokoa. Satria tsy ampy ny fotoana, dia nangataka izy ireo ny mba hiverenan’ny ekipan’ny CDBF any indray mba hanao fampahafantarana sy fifampizarana misimisy kokoa.