“Andro natokana ho an’ny fanjakana tsara tantana amin’ny lafiny ara-bola”, 10 oktobra 2019, Carlton Madagascar KABARIN’ATOA TALE JENERALIN’NY CDBF

Atoa Julien RAZAFINDRAKOTO, Tale Jeneralin’ny Conseil de Discipline Budgtaire et Financière (CDBF),
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny voalohan-teny dia mamerina ny fiarahabana antsika rehetra tonga manatrika izao fotoana izao. Koa dia manolotra ny arahaba Tompokolahy, Finaritra Tompokovavy.
Misaotra anareo tonga maro be tahaka izao, midika izany fa zavadehibe ary mahaliana ny maro tokoa izao hetsika karakarainay izao. Mankasitraka anareo sahady amin’ny faharetana hatramin’ny farany.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Raha tsiahivina kely ny tantara, dia ny faha 03 oktobra 1960 no namoahana ny didy hitsivolana laharana faha 60-145 izay nanangana ny Conseil de Discipline Financière et Budgétaire, izany hoe telo volana monja taorian’ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahaleovantenan’I Madagasikara.
Ny 03 oktobra 2018, no nisy ny hetsika, tato amin’ity efitrano ity, izay nanambaran’Atoa NTSAY Christian, Praiministra Lehiben’ny Governemanta, tamin’ny fomba ofisialy fa miasa tanteraka ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière, adika tsotsotra amin’ny teny Malagasy hoe Filankevitra Ara-Pitsipipifehezana momba ny Tetibola sy ny Vola, ary azo tsorina hoe CDBF.
Ny CDBF moa dia rafitra iray, eo anivon’ny Primatiora izay natao hitondra anjara biriky amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana amin’ny lafiny ara-bola na “promotion de la bonne gouvernance financière”.
Ny 03 oktobra 2019 lasa teo, araka izany, no feno iray taona ny niasan’ny CDBF, tamin’ny fomba ofisialy.
Mahatsiaro ny tenanay, fa manana adidy ka tokony hanao ny tatitra amin’ireo lehibe izay naniraka, ary tokony hampahafantara ny olompirenena tsy an-kanavaka ireo asa vita tao anatin’izay iray taoana niasana izay. Izay tokoa mantsy no takian’ilay singa iray ao anatin’ny fanjakana tsara tantana dia ny “tamberinandraikitra” na redevabilité.
Ankoatr’izay, maniry izahay ato amin’ny CDBF ny mba hanokanana andro iray isan-taona ho an’ny Fanjakana tsara tantana. Irinay tokoa ny mba hanokanana ny datin’ny 03 oktobra ho “Androm-pirenena ho an’ny fanjakana tsara tantana”.
Ireo antony ireo no nahatonga anay, avy ato amin’ny CDBF, nikarakara izao hetsika izao. Efa natomboka ny 03 oktobra 2018 izao hetsika izao ary ezahina ny hanohizana azy isan-taona ary ho velarina amin’ireo renivohi-paritany enina sy ireo renivohi-paritra hafa izany.
Ny lohahevitra amin’ity taona 2019 ity moa dia ny “Fanjakana tsara tantana amin’ny lafiny ara-bola”. Nosafidiana manokana io lohahevitra io mba ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fampidiram-bola eto Madagasikara. Tsy mihambo hahavita irery anefa izahay fa mitondra izay anjara biriky kely ary miantehitra indrindra amin’ny fiarahamiasa avy amin’ny olompirenena rehetra.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Raha fintinina dia ny fampiroboroboana na ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana no iraka lehibe nankinina tamin’ny CDBF. Andraikitra roa no entiny manatanteraka izany iraka izany.
Ny voalohany dia ny fisorohana izay rehetra mety ho fandikana ny fitsipika mifehy ny fitantanam-bola sy ny fitantanana ny fitaovam-panjakana. Ny faharoa kosa, dia ny fanasaziana an’ireo izay tratra fa nandika izany fitsipika izany.
Tao anatin’izay iray taona izay, dia tsy nikely soroka nanao izay tratry ny ainy tokoa ireo mpiaramiasa ao amin’ny CDBF, nanao izay hahavitana io iraka io.
Teo amin’ny lafiny fisorohana.
Satria “tsy misy heverina ho tsy mahafantatra ny lalàna” hoy ny ohapitenenana latinina na “nul n’est censé ignorer la loi”, dia natao laharampahamehana ny fampahafantarana ireo mpikirakira volampam-panjakana ny karazana hadisoana mahavoasazy eo anivon’ny CDBF sy ny sazy miandry an’izay mihoa-pefy.
Niezaka ny ekipa misahana ny asa fisorohana namory ireo tomponandraikitra, niezaka ihany koa nitety ireo sampandraharaha maro samihafa, anisan’izany ireo Ministera sy Antokondraharaham-panjakana. Natonina ihany koa ireo lavitry ny Renivohitra ka nanao fanentanana tamina faritra maro maro, anisan’izany ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Faritra Atsimo Andrefana.
Tonga hatrany amin’ireo kaominina ambanivohitra lavitra sy saro-dalana toa ny Kaominina Ambanivohitry St Augustin any amin’ny Distrikan’i Toliara Faharoa (II) sy ny Kaominina Ambanivohitr’i Mahasoabe ao amin’ny Distrikan’i Vohibato sy ireo maro hafa mba hijery sy hihaino ny tomponandraikitra any lavitra any hahafahana mitondra fanatsarana.
Satria ny fisorohana dia mitaky ihany koa fanatsarana ny rafitra, ny didimpanjakana laharana faha 2017-564 izay mifehy ny fampandehanandraharaha eo anivon’ny CDBF, dia milaza fa adidin’ity rafitra ity ny mitondra tolokevitra ho fanatsarana ny sehatry ny fitantanam-bolam-panjakana.
Noho izany, nisy fanaovana fanadihadiana mba ahafahana manao tolokevitra fanatsarana. An’isany izany ity fanadihadiana iray ity izay nampahafantarina antsika androany ny vokatra sy ny tolokevitra mifandraika amin’izany.
Misy ihany koa fanadihadiana roa hafa izay mbola eo am-panatanterahana ka iangaviana sahady fiarahamiasa amin’ireo Tomponandraikitra mba tsy hanakatom-baravarana an’ireo voairaka hanao izany. Ny vokatr’izany fanadihadihana izany moa dia tsy maintsy hampahafantarina ny besinimaro ihany koa.
Ao anatin’izay fanatsarana izay hatrany, dia nanao sosokevitra ny amin’ny tokony hanovana ny fetran’ny lamandy izay avoakan’ny CDBF ihany koa izahay. Satria tsy mampiraika na tsy mahakivy ny mpandika lalàna velively ny sazy teo aloha izay telo tapitrisa (3.000.000) Ariary ka hatramin’ny telopolo tapitrisa (30.000.000) Ariary monja.
Araka izany, ny lalàna nasiam-panovana mifehy tetibola 2019 dia nanova ny lamandy avoakan’ny CDBF ho telo hetsy (300.000) Ar ny farany ambany ary telopolo miliara (30.000.000.000) Ar ny farany ambony.
Izany moa dia mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ao amin’ny teboka fahatelo momba ny ady amin’ny kolikoly izay milaza ny tokony hanamafisana ny fanarahamaso ny tsenam-panjakana. Izany no natao dia mba ho fampiharana ny voalazan’Atoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny lahateny izay nataony nandritra ny lanonana nanaovany fianianana ny 19 janoary 2019, nanambarany fa “ho henjana ny sazy ampiharina amin’izay minia mandika lalàna”.
Raha eo amin’ny lafin’ny fanasaziana kosa.
Miisa fito amibin’ny folo (17) ireo antontantaratasy fitoriana voarain’ny CDBF hatramin’izao. Ireo dia fahadisoam-pitantanana mahakasika ny vola mitentina hatramin’ny fito amby roapolo miliara Ariary mahery ; 27 miliara ariary, izany hoe iray miliara sy 600 tapitrisa isaky ny raharaha iray eo ho eo.
Iraika ambin’ny folo (11) kosa ireo fanapahana navoaka ka mahatratra 60 tapitrisa ariary ny lamandy mifandraika amin’izany.
Marihina fa mahavoasaringotra olona sivy ambiny folo ireo antontantaratasy fitoriana voaray ireo izay ahitana Tale Jeneraly, Tale, Prefet, Ben’ny Tananana ary Tomponandraikitry ny Tsenam-panjakana na PRMP.
Sivy folo isanjaton’ireo fahadisoana ara-pitantanana kosa dia saika mahakasika, mivantana na an-kolaka, ny tsenam-panjakana avokoa.
Mesdames et Messieurs,
Le CDBF est un organe de contrôle des finances publiques, rattaché à la Primature, chargé de promouvoir la bonne gouvernance financière. Sa mission comporte deux volets : la prévention et la sanction de la faute de gestion. La faute de gestion étant définie comme toute violation, intentionnelle ou non intentionnelle, aux règles relatives à la gestion budgétaire et financière.
Les activités du CDBF a été lancé officiellement par M. le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, le 03 octobre 2018. Le 03 octobre 2019 dernier, le CDBF a marqué sa première année d’opérationnalité.
Ainsi, dans le cadre de la redevabilité, nous estimons qu’il est de notre devoir, non seulement, de rendre aux autorités publiques, mais aussi et surtout, d’informer les citoyens sur les activités effectuées durant cette période.
Tel est, en partie, l’objet de cet événement baptisé « Journée de réflexion sur la bonne gouvernance financière ».
En effet, nous pouvons affirmer, en toute humilité, que le bilan de cette première année est prometteur.
En matière de prévention des fautes de gestion, l’information des responsables sur l’opérationnalité du CDBF et l’effectivité des sanctions a été priorisée. Des acteurs budgétaires auprès des organismes publics dont des Ministères et des Etablissements Publics ainsi que des Collectivités Territoriales Décentralisées ont été sensibilisés.
Dans le cadre de son attribution relative à la proposition d’amélioration de la gestion des finances publiques, trois études thématiques ont été effectuées dont deux sont en cours. Les résultats de l’une de ces études viennent d’être présentés il y a un instant.
Dans la même initiative, une nouvelle fourchette d’amende à prononcer par le CDBF a été proposée. L’ancienne fourchette prévoyant une amende entre 3 millions ariary et 30 millions ariary n’était pas du tout dissuasif. Ainsi, les autorités concernées ont validé la proposition du CDBF et par la loi de finances rectificatives 2019, la fourchette d’amende a été modifiée de 300.000 ar à 30 milliards d’ariary.
Ce renforcement de la sanction rentre dans le cadre de la mise en œuvre de l’Axe n° 03 de la Politique Générale de l’Etat relative à la lutte contre la corruption avec tolérance zéro, mettant l’accent sur le contrôle des marchés publics. Il s’agit également de la réalisation de l’application de la sanction sévère aux auteurs de la mauvaise gestion des finances publiques prônée par M. le Président de la République lors de son discours d’investiture le 19 janvier 2019.
En matière de sanction disciplinaire.
Le CDBF a reçu 17 dossiers mettant en jeu plus de 27,3 milliards d’ariary. 27 milliards 300 millions d’ariary en une année soit 1 milliard 600 millions d’ariary par dossier. Ces 17 dossiers mettent en cause 19 agents dont la majorité sont traduits pour des fautes relatives aux marchés publics.
11 décisions portant sur 13 dossiers ont été rendues.
Des sanctions pécuniaires ont été prononcées à l’égard de plusieurs personnalités dont des DG de Ministère et d’Etablissement public, des Personnes Responsables de Marchés Publics, des Préfets et des Maires.
Le montant des amendes prononcées s’élève à 60 millions d’ariary.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Marihina moa fa ny CDBF dia tsy afaka mandray avy hatrany ny raharaha na dia mahita na mahare fahadisoam-pitantanana aza fa tsy maintsy miandry fitoriana. Voafetran’ny lalàna ihany koa ireo afaka mametraka fitoriana eo amin’ny CDBF izay saika ireo Lehibena Andrim-panjakana Rehetra, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary indrindra ireo lehibena rafitra misahana ny fanarahamaso ny volam-panjakana. Ireo solotenam-panjakana eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjarampahefana, toy ny Prefet sy ny Lehiben’ny Distrika dia afaka mandefa fitoriana ihany koa.
Noho izany, araraotiko ity andro androany ity anaovana fanentanana ireo sokajin’olona izay nomen’ny lalàna fahefana hitory aty amin’ny CDBF ireo mba hiara-hiasa sy handray andraikitra amin’ny fitoriana ireo fahadisoam-pitantanana tsikaritra eo amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy. Izany no atao dia mba ho fanatsarana mandrakariva ny fitantanana ny volam-panjakana ary mba tsy hisian’ny tsy maty manota intsony.
Satria ny tanjon’ny CDBF dia tsy ny hampitombo isa ireo voasazy fa ny fanatsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Noho izany raisiko adidy ny manentana ireo tomponandraikitra rehetra eo amin’ny sampandraharaham-panjakana mba samy hametraka mandrakariva ho vaindohan-draharaha ny mangaharaha, ny tamberinandraikitra ary ny kolotsaina voarakitra ao anatin’ny fahendren’ny ntaolo malagasy hoe « Sery vitan’anamalaho tsy amonoana vantotr’akoho ». Izany hoe « culture de l’efficience ».
Fomba fiteny mahazatra ny hoe “tsy misy handova fanjakana”, ary tena marina tokoa izany. Tsy misy handova fanjaka isika Rehetra izao. Fa saingy, ny gaboraraka sy ny fandanindanim-poana ataontsika androany dia ireo taranaka no hijinja ny vokany, ireo mpiara-belona amintsika no miaritra ny ngidiny.
Hoy Atoa Praiminisitra NTSAY Christian nandritra ny lahateniny tamin’ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny asan’ny CDBF ny 03 oktobra 2018. Ireo vola nampiasaiana tsy ara-dalana ireo, izany hoe ilay 27 miliara mahery voalazako teo, dia vola tokony nahafahana nanangana sekoly, nanaovana fiahiana ara-pahasalamana, nanaovana fotodrafitrasa maro ho an’ny vahoaka toy ny lalana, ny toerampidiovana, ary raha nomena ireo faritra dia samy nanana maherin’ny 1 miliara isany avy izy ireo sns…
Mahatsapa kosa anefa izahay, araka ireo fanadihadiana natao sy ny fifampiresahana amin’ireo mpisehatra fa betsaka ireo tomponandraikitra eo anivon’ny raharaham-panjakana no miezaka manaraka ny lalàna eo am-panatanterahana ny asany. Tsy vitsy ihany koa ireo manao ny ainy tsy ho zavatra mba ho fampandehanana ny raharaharam-panjakakana, hany ka miala vola am-paosy mihitsy aza tsy mba indraindray fa matetika. Mitaraina izy ireo fa toa “miasa jamba rafozana hono”.
Voalaza fa mahasarotra ny fanajana lalàna ka mahatonga fahadisoam-pitantanana ihany koa ny rafitra sy paika izay sarotra na “complexe” na koa tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro.
Alaina ohatra amin’izany ny fivoaran’ny raharaham-panjakana izay manao fifanarahana amin’ny mpandraharaha tsy miankina. Etsy an-daniny, ny fitsipika mifehy ny fandoavam-bola na liquidation, dia ny “fitsipiky ny asa vita vao mandoa vola”. Ny sehatra tsy miankina etsy an-kilany mila antoka na “caution” ao anatin’ny fifanarahana. Toejavatra toy izany dia matetika mitarika amin’ny “fanamarinana asa mbola tsy vita” ataon’ny mpitantana asa na “Gestionnaire d’activités”. Tranga fahita matetika izany eo amin’ny fanaovana fifanarahana amin’ny fifandraisana an-tariby na “abonnement téléphonique”.
Anisan’ny maro mpitsikera ihany koa ny tambinkarama omena ny mpiasampanjakana mamita iraka izay 30.000 na 36.000 Ar isan’andro (ao anatin’izany ny sakafo sy ny hofantrano). Mazava ho azy fa tsy mifanaraka amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana ankehitriny izany. Ary varavarana misokatra midanadana ho an’ny fandikan-dalàna toy ny fanamarinana asa tsy natao, ny fampitomboana ireo fepotoana nanaovana ny iraka. Ao ihany koa ny fanaovana kitoatoa ny iraka satria tsy ampy ilay fantatry ny maro amin’ny hoe “motivation”.
Olana sedrain’ireo tompon’andraikitra ihany koa ny fahataran’ny fahatongavan’ny vola enti-miasa matetika. Ny tanjona anefa tsy maintsy tratrarina ka tsy vitsy ireo tomponandraikitra ny mampanao asa na mampividy entana na dia mbola tsy misokatra ny vola ary manamarina ny taratasy mifanaraka amin’izany aty aoriana na manao “régularisation”. Fahadisoana mahavoasazy eny amin’ny CDBF anefa izany raha ny voalazan’ny lalàna.
Koa am-panetren-tena no anaovako antso avo amin’ireo manam-pahefana afaka mamaha ireo olana voatanisa teo ireo mba hitondra vahaolana mba ahatongavana marina amin’ilay fanjakana tsara tantana izay ahaozoan’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka tombony.
Mitodika manokana amin’ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola ny tenako, ao antin’izany ireo fiarahamonim-pirenena, mba hanome tanana sy hiara hiasa aminay mba hanatratrarana ireo tanjona efa napetraky ny fitondram-panjakana momba ny fanjakana tsara tantana.
Ho an’ireo sampandraharam-panjakana indrindra ireo Rafitra Mpanara-maso ny volam-panjakana. Betsaka tokoa ireo sehatrasa hahafahana miaraka ary ny varavaran’ny CDBF dia misokatra midanadana ho an’ireo izay vonona ny hifanome tanàna aminy. Ny asa fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana rahateo moa tsy mora ary toy asa vadi-drano ka tsy vita raha tsy ifanakonana.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Eto am-pamaranana, tsy haiko ny tsy hanolotra fisorana mitafotafo ho an’Atoa Filohan’ny Repoblika izay manao laharam-pahamehana mandrakariva ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny asan’ireo rafitra mpanaramaso.
Tolorana fisaorana torak’izany ihany koa Atoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta tamin’ny fanohanany ny CDBF nanomboka ny nandraisany fitantanana ka hatramin’izao. Izy rahateo moa izay nanao ho zavadehibe ny fanarahamaso ny fampiasana ny tetibolam-panjakana mba hipaka any amin’ny vahoaka.
Isaorana manokana Atoa Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana tonga manome voninahitra izao lanonana izao.
Mesdames et Messieurs les Ambassadeurs, Chargé d’Affaire, Représentants des Organisations Internationales, je vous adresse mes vifs remerciements de votre présence aujourd’hui. Une présence qui témoigne de votre engagement dans la promotion de la bonne gouvernance, garant d’un développement durable et inclusif à Madagascar.
Mes sincères remerciements vont particulièrement à l’endroit de M. le Représentant Résident de la Friedrich Ebert Stiftung et de ses collègues pour le soutien de la fondation dans l’organisation de cette « Journée de Réflexion sur la Bonne Gouvernance Financière ». Un soutien si précieux qui démontre que le CDBF n’est pas seul dans sa mission de promotion de la bonne gouvernance. J’espère que la collaboration entre les deux entités va durer et surtout aura de retombée positive sur l’amélioration de la gouvernance des finances publiques à Madagascar.
Misaotra anareo Rehetra tsy an-kanavaka tonga manatrika izao fotoana izao. Ary tsy vitan’ny hoe nanatrika fa nihaino ary hita fa liana dia liana tokoa.
Farany, mamelà ahy ianareo hitodika manokana amin’ireo mpiara-miasa. Fisaorana sy fankasitrahana no atolotro anareo tsy an-kanavaka noho ny ezaka nataonareo ka nahazoana vokatra azo tsapain-tanàna tao antin’izay iray taona izay. Isaorako manokana etoana Atoa Filohan’ny Filankevitra sy ireo mpikambana amin’ny Filakevitra izay nijoro hatrany ary tsy natahotra tamin’y fampiharana ny lalàna na dia teo aza ireo teritery sy sakantsakana maro isan-karazany. Manana tokoa ary henim-boninahitra tanteraka ny tenako miaramiasa aminanareo.
Ny fisaorana tokoa mantsy toy ny fary lava vaniny ka tsy mety lany hamamiana. Satry foana ny hisaotra nefa ny fotoana manam-petra ka dia ho faranako ny teniko.
Mankasitraka eram-po, Tompokolahy, mankatelina eram-panahy Tompokovavy.
Mba ho tsara tantana ny volam-panjakana.