Fositra manimba ny tsenam-panjakana ny « fametrahana kely »
Ny Mpandrindra Ankapoben’ny Raharaha Stratejika eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Andrianarivo RABEHAJASOA dia nanasongadina ireo fahazaran-dratsy eo amin’ny fitantanana raharaham-panjakana sy eo amin’ny fiarahamonina malagasy amin’ny ankapobeny. Anisan’izany ny « fametrahana kely » isaky ny misy raharaha atao izay efa zary raiki-tampisaka amin’ny fiainana andavanandro.

Jeneraly Andrianarivo RABEHAJASOA
“Tsy ny fanjakana ihany no ahitana izany fomba fanao izany fa hatramin’ny sehatra tsy miankina eny fa na dia hatrany am-piangonana aza dia heverina ho fahalalampomba ny manome valopy misy vola ny Mompera na ny Pasitora, ireo mpitendry zava-maneno sy ny maro hafa rehefa misy lanonana toy ny mariazy”, raha ny nambaran’ity manam-boninahitra ity.
Notsipihiny manokana fa anisan’ny antony mahatonga ny fanaovana fifanarahana amin’ny vidiny mihoapampana eo amin’ny tsenam-panjakana izany fomba fanao izany. Ampidirin’ireo mpisehetra amin’ny tsenam-panjaka ao amin’ny masokarenany ireo vola mety ho laniny amin’ny fanomezana tambiny kely isaky ny mpisehatra lalovan’ny antotantaratasy manomboka amin’ny fanomezana ny tsena ka hatramin’ny fandoavambola eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana.
Araka izany, vahaolana natolony ny fanamafisana ny fampiasana ny haitao ara-kajimirindra momba ireo paika mikasika ny fanatanterahana ny fividianana etam-panjakana sy ny fandaniambolam-panjakana. Ohatra nomeny tamin’izany ny fanaovana ny « visa en ligne » izay mety hampihena kokoa ny fanaovana fahadisoana ara-pitantanana ary hanafaingana ny fomba fiasa.
Marihina moa fa ny “fametrahana kely”, na notakiana io na nomena an-tsitrapo, dia anisan’ireo fahadisoana izay mahavoasazy eo anivon’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF) araka ny fehezan-dalàna mifehy ny tsenam-panjakana ao amin’ny andininy faha 91. Ny sazy miandry izay tratra manao izany dia lamandy 300.000 Ar (telo hetsy Ariary) ka hatramin’ny 30.000.000.000 (telopolo miliara Ariary).
Izany no anisan’ny fanamarihana mafonja nivoitra nandritra ny atrikasa izay nataon’ny ekipa misahana ny fisorohana eo anivon’ny CDBF sy ireo tompondraikitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izay notanterahina ny alakamisy 29 aogositra 2019 tao Betongolo.